forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
1.3 KiB
Markdown
20 lines
1.3 KiB
Markdown
|
# Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra ... ny fahatokianao manakatra ny rahona
|
||
|
|
||
|
Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra tanteraka. Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra.
|
||
|
|
||
|
# Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra
|
||
|
|
||
|
Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra. DH: "Lehibe tahaka ny halaviran'ny lanitra amin'ny tany ny fitiavanao tsy mety levona"
|
||
|
|
||
|
# ary ny fahatokianao manakatra ny rahona
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "lehibe ny" sy "manakatra" dia efa hita tamin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary lehibe ny fahatokianao, manakatra ny rahona" na "ary lehibe tahaka ny halaviran'ny tany amin'ny rahona ny fahatokianao"
|
||
|
|
||
|
# Misandrata, Andriamanitra o, ambonin'ny lanitra
|
||
|
|
||
|
Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampiseho fa asandratra Izy. Ny amin'ny maha nasandratra ambonin'ny lanitra maneho ny maha lehibe. DH: "Andriamanitra o, asehoy fa asandratra ambonin'ny lanitra Ianao" na "Andriamanitra o, asehoy fa lehibe Ianao any an-danitra"
|
||
|
|
||
|
# ny fahasoavanao anie ho asandratra manerana ny tany manontolo
|
||
|
|
||
|
Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampisehoany ny voninahiny. DH: "asehoy manerana ny tany rehetra ny voninahitrao"
|