# Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra ... ny fahatokianao manakatra ny rahona Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra tanteraka. Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra. # Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra Ny fahalehibiazan'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mety levona sy ny fahalehibiazan'ny fahamarinany dia lazaina toy ny hoe azo refesina avy lavitra. DH: "Lehibe tahaka ny halaviran'ny lanitra amin'ny tany ny fitiavanao tsy mety levona" # ary ny fahatokianao manakatra ny rahona Ny teny hoe "lehibe ny" sy "manakatra" dia efa hita tamin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary lehibe ny fahatokianao, manakatra ny rahona" na "ary lehibe tahaka ny halaviran'ny tany amin'ny rahona ny fahatokianao" # Misandrata, Andriamanitra o, ambonin'ny lanitra Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampiseho fa asandratra Izy. Ny amin'ny maha nasandratra ambonin'ny lanitra maneho ny maha lehibe. DH: "Andriamanitra o, asehoy fa asandratra ambonin'ny lanitra Ianao" na "Andriamanitra o, asehoy fa lehibe Ianao any an-danitra" # ny fahasoavanao anie ho asandratra manerana ny tany manontolo Ny mpanao salamo mangataka amin'Andriamanitra mba hampisehoany ny voninahiny. DH: "asehoy manerana ny tany rehetra ny voninahitrao"