plt_tn/psa/056/012.md

16 lines
914 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Ato amiko ny adidy hanatanterahana ireo voadiko aminao
Ny voatery hanao zavatra iray dia lazaina toy ny hoe ao amin'ny olona iray ny adidy hanao zavatra. DH: "Tsy maintsy manatanteraka ireo voadiko aminao aho" na "Tsy maintsy manao izay nampanantenaiko Anao fa hataoko aho"
# nihazona ny tongotro tamin'ny fianjerana Ianao
Ny tongotra eto dia manondro ilay olona. Ny fianjerana dia mety ho maneho hoe voavonon'ireo fahavalony. DH: "nihazona ahy tsy hianjera Ianao" na "nihazona ahy tsy ho voavonon'ireo fahavaloko aho"
# mba hahafahako mandeha eo anatrehan'Andriamanitra
Ny miaina sy hitan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe mandeha eo anatrehan'Andriamanitra. DH: "mba hahafahako miaina eo amin'ny fanatrehanao"
# amin'ny fahazavan'ny velona
Eto ny "fahazavan'ny velona" dia mety ho maneho an'Andriamanitra mamela ny olona hiaina. DH: "amin'ny fiainana izay omenao" na "satria Ianao mamela ahy hiaina"