plt_tn/psa/041/007.md

20 lines
880 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# manantena ny handratra ahy izy ireo
Ireo mety ho heviny 1) "manantena izy ireo fa hisy zava-mahatsiravina be hitranga amiko" (UDB) 2) "mikasa handratra ahy izy ireo."
# Aretina ratsy ... aminy
Ireo fahavalony miteny ny hoe "aretina" toy ny hoe olona izay nahababo azy izany. DH: "mararin'ny areti-mandoza izy"
# Aretina ratsy
Ireo mety ho heviny dia 1) "aretina mandoza" na 2) "zavatra mahatsiravina"
# izao izy mandry izao, dia tsy hitsangana intsony
Eto ny teny hoe "mandry" dia manondro hoe mitsotra eo am-pandriana noho ny faharariana. Izay tsy hahafany "mitsangana" intsony dia midika fa hitohy handry hatrany izy, izay teny malefaka kokoa ilazana ny fahafatesana. DH: "izao izy marary eo am-pandriana, ka dia ho faty ao"
# nanainga ny vodi-tongony hanohitra ahy
Ity dia fomba fiteny ilazana fa namadika azy ireo sakaizany. DH: "namadika ahy" na "nivadika tamiko"