plt_tn/pro/16/21.md

16 lines
809 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Izay hendry am-po no antsoina hoe manan-tsaina
Hahazo laza amin'ny maha-olona manan-tsaina io olona io. Io dia azo atao hoe DH: "Ho antsoin'ny olona hoe manan-tsaina izay hendry am-po" na "Izay hendry am-po dia hahazo laza amin'ny maha-olona manan-tsaina"
# Izay hendry am-po
Eto ny fo dia maneho ny saina aman'eritreritra. DH: "Izay hendry" na "Izay hendry amin'ny fisainany"
# ny hamamin'ny teny
Ny teny malefaka na mahafinaritra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra manana tsiro mamy. DH: "tenim-pahatsorana" na "teny mahafinaritra"
# Ny fahazavan-tsaina dia loharanon'aina
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano izay mikoriana rano hatrany ary manohana ny ain'ireo izay misotro amin'izany ny "fahazavan-tsaina." DH: "Ny fahazavan-tsaina dia toy ny loharano mikoriana rano manome aina"