plt_tn/pro/02/11.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina
Ity dia miresaka momba ny "fahamalinana" sy ny "fahazavan-tsaina" toy ny hoe olona izay afaka miambina olon-kafa. Ireo fanambarana ireo dia samy mitovitovy hevitra. DH: "Satria misaina tsara sady mahatakatra izay tsara sy ratsy ianao dia ho voaaro"
# fahamalinana
ny fahatsaran'ny fitandremana amin'ny asa sy ny teny
# hiambina
miaro na miahy ny olona iray na zavatra iray
# Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo
Ny hoe "ireo" dia manondro ny fahamalinana sy ny fahazavan-tsaina, izay resahina toy ny hoe olona izay afaka manavotra olon-kafa. DH: "Ho hainao ny hanalavitra ny izay ratsy"
# amin'ny lalan-dratsy ireo
Ny toetra rasty dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny ratsy.
# izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny
Ny olona izay tsy manao izay marina intsony fa manapa-kevitra ny hanao izay ratsy dia resahina toy ny hoe mitsahatra tsy mandeha amin'ny lalana marina ary misafidy ny handeha amin'ny lala-maizina.
# izay mandao
Ny teny hoe "izay" dia manondro ireo olona izay miteny zava-dratsy.
# mandao
miala ary tsy miverina amin'ny olona na zavatra mandrakizay