# Hiaro anao ny fahamalinana, ary hiambina anao ny fahazavan-tsaina Ity dia miresaka momba ny "fahamalinana" sy ny "fahazavan-tsaina" toy ny hoe olona izay afaka miambina olon-kafa. Ireo fanambarana ireo dia samy mitovitovy hevitra. DH: "Satria misaina tsara sady mahatakatra izay tsara sy ratsy ianao dia ho voaaro" # fahamalinana ny fahatsaran'ny fitandremana amin'ny asa sy ny teny # hiambina miaro na miahy ny olona iray na zavatra iray # Hanavotra anao amin'ny lalan-dratsy ireo Ny hoe "ireo" dia manondro ny fahamalinana sy ny fahazavan-tsaina, izay resahina toy ny hoe olona izay afaka manavotra olon-kafa. DH: "Ho hainao ny hanalavitra ny izay ratsy" # amin'ny lalan-dratsy ireo Ny toetra rasty dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny ratsy. # izay mandao ireo lalan'ny fahamarinana ary mandeha amin'ny lalan'ny Ny olona izay tsy manao izay marina intsony fa manapa-kevitra ny hanao izay ratsy dia resahina toy ny hoe mitsahatra tsy mandeha amin'ny lalana marina ary misafidy ny handeha amin'ny lala-maizina. # izay mandao Ny teny hoe "izay" dia manondro ireo olona izay miteny zava-dratsy. # mandao miala ary tsy miverina amin'ny olona na zavatra mandrakizay