plt_tn/php/04/21.md

20 lines
844 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Ireo rahalahy
Ity dia manambara ireo olona izay nanao asa fanompoana niaraka tamin'i Paoly na ho an'i Paoly.
# rahalahy
Eto dia milaza izany teny izany hoe ireo mpinamana Kristiana, na lahy na vavy, satria ny mpino rehetra an'i Kristy dia mpikambana ao amin'ny fianakaviana ara-panahy iray miaraka amin'Andriamanitra toy ny Rain'izy ireo any an-danitra.
# ny mpino tsirairay ... Ireo mpino rehetra
Ny dika hafa dia miteny hoe "olo-masina" sy "vahoaka masina"
# indrindra ireo izay avy ao amin'ny ankohonan'i Kaisara
Izany dia manondro ireo mpanompo izay niasa tao amin'ny lapan'i Kaisara. "indrindra fa ireo mpiray finoana izay miasa ao amin'ny lapan'i Kaisara"
# ho amin'ny fanahinareo
Paoly dia manondro ireo mpino amin'ny fampiasana ny teny hoe "fanahy," izay mamela ny olona hifandray amin'Andriamanitra. DH: "miaraka aminareo"