plt_tn/mrk/08/01.md

24 lines
937 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Vahoaka betsaka, noana no miaraka amin'i Jesosy. Namoky azy ireo tamin'ny alalan'ny mofo fito sy hazan-drano vitsy fotsiny Jesosy sy ireo mpianany tamin'ny niantsambo nankany amin'ny toerana hafa.
# Tamin'izany andro izany
Io fehezanteny io dia ampiasaina mba hampidirana tranga vaovao ao anatin'ny tantara.
# satria efa telo andro ireo no nanohy niaraka tamiko
"satria efa andro fahatelo niarahan'ny olona tamiko izao"
# mety ho safotra an-dalana izy ireo
Ny mety ho dikany hafa: 1) "mety ho very saina vetivety izy ireo" na 2) "mety halemilemy izy ireo."
# Aiza no hahazontsika mofo ampy hamokisana ireo vahoaka ireo aty an'efitra aty an-tany foana tahaka izao?
Ireo mpianatra dia gaga fa Jesosy dia miandry azy ireo hahita sakafo. DH: "Foana ity toerana ity ka tsy misy toerana hafa hahitantsika mofo ampy hamokisana ny olona!"
# mofo
Ny mofo dia foto-koba novolavolaina sy nandrahoina.