plt_tn/mat/26/51.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Indro
Ny teny hoe "indro'' dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny tranga mahatalanjona izay manaraka eo.
# izay mandray sabatra
Azo atao hoe DH: "izay mandray sabatra hamonoana ny hafa"
# ho vonoina amin'ny sabatra
"amin'ny sabatra no hamonoan'ny olona azy"
# Mieritreritra va ianareo fa tsy afaka miantso ... roa ambin'ny folo?
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampatsiahivana ilay olona niaraka tamin'ny sabatra fa afaka manakana ireo izay misambotra Azy i Jesosy. DH: "Fantatrareo tokoa fa afaka miantso ... roa ambin'ny folo"
# Raiko
Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.
# tafik'anjely mihoatra noho ny roa ambin'ny folo
Ny tafika na ''legiona" dia fomba fitenin'ny miaramila izay ilazana vondro-miaramila eo ho eo amin'ny 6,000. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia afaka mandefa anjely ampy hanakana mora foana ireo izay misambotra an'i Jesosy Andriamanitra. Tsy dia zava-dehibe ny isan'ireo anjely eto. DH: "mihoatra ny tafik'anjely 12"
# Fa atao ahoana izany no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hitranga izany?
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hanazavana hoe nahoana no mamela ireo olona hisambotra Azy Izy. DH: "Fa raha nataoko izany, dia tsy ho afaka ny hantanteraka izay nolazain'Andriamanitra fa tsy maintsy hiseho tao amin'ny soratra masina Aho"