# Indro Ny teny hoe "indro'' dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny tranga mahatalanjona izay manaraka eo. # izay mandray sabatra Azo atao hoe DH: "izay mandray sabatra hamonoana ny hafa" # ho vonoina amin'ny sabatra "amin'ny sabatra no hamonoan'ny olona azy" # Mieritreritra va ianareo fa tsy afaka miantso ... roa ambin'ny folo? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampatsiahivana ilay olona niaraka tamin'ny sabatra fa afaka manakana ireo izay misambotra Azy i Jesosy. DH: "Fantatrareo tokoa fa afaka miantso ... roa ambin'ny folo" # Raiko Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io. # tafik'anjely mihoatra noho ny roa ambin'ny folo Ny tafika na ''legiona" dia fomba fitenin'ny miaramila izay ilazana vondro-miaramila eo ho eo amin'ny 6,000. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia afaka mandefa anjely ampy hanakana mora foana ireo izay misambotra an'i Jesosy Andriamanitra. Tsy dia zava-dehibe ny isan'ireo anjely eto. DH: "mihoatra ny tafik'anjely 12" # Fa atao ahoana izany no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hitranga izany? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hanazavana hoe nahoana no mamela ireo olona hisambotra Azy Izy. DH: "Fa raha nataoko izany, dia tsy ho afaka ny hantanteraka izay nolazain'Andriamanitra fa tsy maintsy hiseho tao amin'ny soratra masina Aho"