plt_tn/mat/21/31.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# hoy izy ireo
"Hoy ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholona"
# Jesosy niteny azy ireo hoe
"Hosy Jesosy tamin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholona"
# Lazaiko marina aminareo
"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena dia hiditra ny Fanjakan'ny Andriamanitra alohanareo
Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha mpanjaka Azy. DH: "Rehefa mametraka ny fanjakany eto an-tany Andriamanitra, dia hanaiky ny hitahy ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena amin'ny alalan'ny fanapahany eo amin'izy ireo Izy, mialoha ny hanekeny hanao izany ho anareo"
# alohanareo
Ireo mety ho dikany dia 1) Hanaiky ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena mialoha ny hanekeny ireo Jiossy sy ireo mpitarika Jiosy Andriamanitra, na 2) Hanaiky ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena Andriamanitra raha tokony ho ireo mpitarika fivavahana Jiosy izany.
# Jaona nanatona anareo
Manondro ny olon'Israely rehetra io fa tsy ireo mpitarika fivavahana Jiosy ihany. DH: "nankeo amin'ireo vahoakan'Israely i Jaona"
# tamin'ny fahamarinana
Io dia fomba fiteny izay midika fa i Jaona dia nampiseho ireo olona ny lala-marina hoenti-miaina. DH: "ary nilaza taminareo ny lalana izay tian'Andriamanaitra hiainanareo"
# tsy nino azy ianareo
Manondro ireo mpitarika fivavahana io.