plt_tn/mat/07/15.md

20 lines
990 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# izay manatona anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaza
Io sarin-teny io dia midika fa hisy mpaminany sandoka izay mody miseho azy ireo ho tsara ary te hanampy anareo, kanefa tena ratsy tokoa izy ireo ary hamely anareo.
# Amin'ny alalan'ny voany no hahafantaranareo azy ireo
Io sarin-teny io dia ilazana ny asan'ny olona iray. DH: "Toy ny ahafantaranareo ny hazo amin'ny alalan'ny voankazo izay maniry eo aminy, dia amin'ny asany koa no ahafantaranareo ireo mpaminany sandoka."
# Mioty ... tsilo va ny olona
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. Efa fantatry ny olona fa ny valiny dia tsia. DH: "Tsy mioty ... tsilo ny olona."
# ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara
Manohy mampiasa sarin-teny momba ny voankazo i Jesosy mba hanehoana ny mpaminany tsara izay manao asa sy teny tsara.
# ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy
Manohy mampiasa sarin-teny momba ny voankazo i Jesosy mba hanehoana ireo mpaminany ratsy izay manao asa ratsy.