# izay manatona anareo amin'ny fitafian'ondry nefa amboadia tena mpihaza Io sarin-teny io dia midika fa hisy mpaminany sandoka izay mody miseho azy ireo ho tsara ary te hanampy anareo, kanefa tena ratsy tokoa izy ireo ary hamely anareo. # Amin'ny alalan'ny voany no hahafantaranareo azy ireo Io sarin-teny io dia ilazana ny asan'ny olona iray. DH: "Toy ny ahafantaranareo ny hazo amin'ny alalan'ny voankazo izay maniry eo aminy, dia amin'ny asany koa no ahafantaranareo ireo mpaminany sandoka." # Mioty ... tsilo va ny olona Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ny olona. Efa fantatry ny olona fa ny valiny dia tsia. DH: "Tsy mioty ... tsilo ny olona." # ny hazo tsara rehetra dia mamokatra voa tsara Manohy mampiasa sarin-teny momba ny voankazo i Jesosy mba hanehoana ny mpaminany tsara izay manao asa sy teny tsara. # ny hazo ratsy dia mamokatra voa ratsy Manohy mampiasa sarin-teny momba ny voankazo i Jesosy mba hanehoana ireo mpaminany ratsy izay manao asa ratsy.