plt_tn/job/39/09.md

52 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra :
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Eto, Yaveh dia mampiasa ireo fanontaniana efatra ireo mba hanamafisany fa i Joba dia tsy tahaka an'i Yaveh satria Joba dia tsy afaka mifehy ny ombi-dia.
# Ho faly hanompo anao ve ny ombi-dia?
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy ho faly hanompo anao ny ombi-dia."
# ny ombi-dia
Ireo mety ho heviny dia 1) karazan'omby izay nipetraka tany an'ala na 2) karazan'ombi-dia.
# faly
"mazoto"
# Hanaiky ny hijanona eo amin'ny amin'ny fihinana namboarinao ve izy?
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy hanaiky ny hijanona eo amin'ny fihinana namboarinao izy."
# Hanaiky ny hijanona ao amin'ny fihinana namboarinao
"hijanona eo amin'ny fihinana namboarinao mandritra ny alina"
# fihinana namboarinao
zavatra fasiana sakafom-biby mba hahafahany mihinana.
# Mahafehy ny ombi-dia anao amin'ny tady mba hamadihany ny bainga ve ianao?
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mahafehy ny ombi-dia amin'ny tady mba hamadihana ny bainga eny an-tsahanao ianao."
# amin'ny tady
Fatorana amin'ny tady lohan'ny biby na ny tendany mba hitarihana azy.
# bainga
Fotaka mivadika manaraka ny lavany rehefa avadika.
# Handravona ny lohasaha ho anao ve izy?
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy handravona ny lohasaha ho anao mihitsy izy."
# handravona
Mampalama sy mamaky ny nofon-tany.