plt_tn/job/20/23.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
# hameno ny kibony
ny "mameno ny kibony" eto, dia sarin-tenin'ny minana betsaka.
# hatorak'Andriamanitra aminy ny firehetan'ny fahatezerany
Ny "firehetan'ny fahatezerany" dia mampiseho ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaizany. Ny fitorahana famaizana aminy dia mampiseho ny fanasaziana mafy azy. DH: "Ho tezitra Andriamanitra ary hitoraka azy amin'ny fanasaziana" na "Ho tezitra Andriamanitra ka hanasazy mafy azy"
# handrotsaka izany eo aminy Andriamanitra
"Ataon'Andriamanitra mirotsaka ao aminy izany." Eto, ny "mandrotsaka izany ao aminy" dia mampiseho fanasaziana mafy mihatra amin'ny olona. "Hanasazy mafy azy Andriamanitra"
# hitsoaka ny fitaovam-piadiana vy
Ny fitaovam-piadiana vy dia mampiseho ny olona mitondra izany. DH: "handositra ny olona mitondra fitaovam-piadiana vy"
# hahavoa azy ny tsipìka varahina
Ny tsipìka dia mampiseho ny olona izay mitifitra amin'ny zana-tsipìka amin'izany. DH: "Hisy olona hitifitra azy amin'ny tsipìka varahina"
# Aty
Io dia lehibe sy saro-pady amin'ny vatan'olombelona. Raha misy mitifitra izany amin'ny zana-tsipìka, dia ho faty ilay olona voatifitra.
# tonga eo aminy ny horohoro
Io dia mampiseho ny fahatahorany tampoka. DH: "mihorohoro izy"