# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara. # hameno ny kibony ny "mameno ny kibony" eto, dia sarin-tenin'ny minana betsaka. # hatorak'Andriamanitra aminy ny firehetan'ny fahatezerany Ny "firehetan'ny fahatezerany" dia mampiseho ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaizany. Ny fitorahana famaizana aminy dia mampiseho ny fanasaziana mafy azy. DH: "Ho tezitra Andriamanitra ary hitoraka azy amin'ny fanasaziana" na "Ho tezitra Andriamanitra ka hanasazy mafy azy" # handrotsaka izany eo aminy Andriamanitra "Ataon'Andriamanitra mirotsaka ao aminy izany." Eto, ny "mandrotsaka izany ao aminy" dia mampiseho fanasaziana mafy mihatra amin'ny olona. "Hanasazy mafy azy Andriamanitra" # hitsoaka ny fitaovam-piadiana vy Ny fitaovam-piadiana vy dia mampiseho ny olona mitondra izany. DH: "handositra ny olona mitondra fitaovam-piadiana vy" # hahavoa azy ny tsipìka varahina Ny tsipìka dia mampiseho ny olona izay mitifitra amin'ny zana-tsipìka amin'izany. DH: "Hisy olona hitifitra azy amin'ny tsipìka varahina" # Aty Io dia lehibe sy saro-pady amin'ny vatan'olombelona. Raha misy mitifitra izany amin'ny zana-tsipìka, dia ho faty ilay olona voatifitra. # tonga eo aminy ny horohoro Io dia mampiseho ny fahatahorany tampoka. DH: "mihorohoro izy"