plt_tn/job/20/15.md

32 lines
1.7 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
# Mitelina harena izy ...avy ao amin'ny kibony izany
Miresaka ny fahazoana sy fahaverezan-karena toy ny hoe sakafo izay hohanin'ny olona iray sy halohany i Zofara. DH: "Miha manan-karena ny olona ratsy fanahy, saingy ho very harena tahaka ny olona izay mandoa ny sakafo izy. Ataon'Andriamanitra very tsy ho azy avokoa izany"
# Mitelina harena izy
Ireo mety ho hevitry ny "mitelina harena" dia mampiseho 1) fanagonana harena sy fampirimana izany amim-pitiavan-tena. DH: "Mahangona harena maro ireo olona ratsy fanahy ary tazominy ho an'ny tenany avokoa izany" na 2) fanagonana harena amin'ny fomba ratsy. DH: "Mangalatra harena maro ireo olona ratsy fanahy"
# havoakan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony izany
Eto, ny "havoaka avy ao an-kibony " dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho mandoa. Io dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho very ny hareny.
# avoaka
"aloa"
# Hitsetsitra ny poizina avy amin'ny bibilava izy
Ny "mitsetsitra poizina avy amin'ny bibilava" eto dia mampiseho fanaovana zava-dratsy. Samy mitera-doza ireo. DH: "Ny fanaovana zava-dratsy dia tahaka ny fitsetsefana poizina avy amin'ny bibilava" na "hanao zava-dratsy izy ka hampidi-doza ny fiainany tahaka ny fitsetsefan'ny olona iray poizina avy amin'ny bibilava"
# hamono azy ny lelan'ny menarana
Ny menarana ia bibilava misy poizina. Ny lelany dia mampiseho ny kaikitra misy poizina. DH: "ny poizin' ny menarana dia hamono azy " na "hanaikitra azy ny menarana ary ho faty izy"
# hamono azy ny lelan'ny menarana
Ny menarana dia mampiseho ny faharatsian'ny olona. DH: "hamono azy tahaka ny kaikitry ny menarana ny faharatsiany"