# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara. # Mitelina harena izy ...avy ao amin'ny kibony izany Miresaka ny fahazoana sy fahaverezan-karena toy ny hoe sakafo izay hohanin'ny olona iray sy halohany i Zofara. DH: "Miha manan-karena ny olona ratsy fanahy, saingy ho very harena tahaka ny olona izay mandoa ny sakafo izy. Ataon'Andriamanitra very tsy ho azy avokoa izany" # Mitelina harena izy Ireo mety ho hevitry ny "mitelina harena" dia mampiseho 1) fanagonana harena sy fampirimana izany amim-pitiavan-tena. DH: "Mahangona harena maro ireo olona ratsy fanahy ary tazominy ho an'ny tenany avokoa izany" na 2) fanagonana harena amin'ny fomba ratsy. DH: "Mangalatra harena maro ireo olona ratsy fanahy" # havoakan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony izany Eto, ny "havoaka avy ao an-kibony " dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho mandoa. Io dia sarin-tenin'ny fanaovana ny olona ho very ny hareny. # avoaka "aloa" # Hitsetsitra ny poizina avy amin'ny bibilava izy Ny "mitsetsitra poizina avy amin'ny bibilava" eto dia mampiseho fanaovana zava-dratsy. Samy mitera-doza ireo. DH: "Ny fanaovana zava-dratsy dia tahaka ny fitsetsefana poizina avy amin'ny bibilava" na "hanao zava-dratsy izy ka hampidi-doza ny fiainany tahaka ny fitsetsefan'ny olona iray poizina avy amin'ny bibilava" # hamono azy ny lelan'ny menarana Ny menarana ia bibilava misy poizina. Ny lelany dia mampiseho ny kaikitra misy poizina. DH: "ny poizin' ny menarana dia hamono azy " na "hanaikitra azy ny menarana ary ho faty izy" # hamono azy ny lelan'ny menarana Ny menarana dia mampiseho ny faharatsian'ny olona. DH: "hamono azy tahaka ny kaikitry ny menarana ny faharatsiany"