forked from WA-Catalog/plt_tn
52 lines
2.1 KiB
Markdown
52 lines
2.1 KiB
Markdown
|
# Matahotra an'andriamanitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba?
|
||
|
|
||
|
"Mankato an'Andriamnitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba?" Mamaly an'Andriamanitra amin'ny fanehoana sy famaliana ny fanontanian'ny tenany. Milaz izy fa Andriamanitra ihany no ankatoavin'i Joba satria Andriamanitra no nitahy azy. DH: "Manana ny antony ankatoavany an'Andriamanitra i Joba
|
||
|
|
||
|
# Tsy nasianao fefy ve manodididna azy, manodidina ny tranony, ary manodidina izay azy rehetra
|
||
|
|
||
|
Mitanisa ireo zava-misy mba hanohanany ny heviny i Satana. DH: "Efa niaro azy, ny ankohonany, ary izay rehtra hananany Ianao."
|
||
|
|
||
|
# nanisy fefy manodidina azy, manodidina ny tranony
|
||
|
|
||
|
Sakana tahaka ny rindrina na fefy manodidina mba hiarovana ny tanin'ny tena, nodidinin'Andriamanitra tamin'ny fiarovany i Joba. DH: "niaro azy sy ny tranony"
|
||
|
|
||
|
# ireo asan'ny tanany
|
||
|
|
||
|
"ireo zavatra rehetra izay namboariny"
|
||
|
|
||
|
# nitombo ireo biby fiompiny eto amin'ny tany
|
||
|
|
||
|
"mihamaro dia mihamaro ny biby fiompiny eto amin'ny tany"
|
||
|
|
||
|
# Fa ankehitriny ahinjiro ny tananao ary kasiho izay rehetra hananany, ary jereo raha tsy manozona Anao eo amin'ny tavanao izy
|
||
|
|
||
|
Ny tian'i Satana holazaina dia raha mamely an'i Joba Andriamanitra, dia ho hitany izay havalin'i joba. DH: "Fa ankehitriny, raha maninjitra ny tananao ianao ary mikasika izay rehetra azy, dia ho hitanao fa hanozona anao eo amin'ny tavanao izy"
|
||
|
|
||
|
# Fa ankehitriny ahinjiro ny tananao
|
||
|
|
||
|
Ny "tanana" eto dia manondro ny herin'ny asan'Andriamanitra. "Fa ankehitriny ampiasao ny herinao"
|
||
|
|
||
|
# kasiho izay rehetra hananany
|
||
|
|
||
|
Ny "kasiho" eto dia mampiseho ny asan'ny faharatsiana na fahapotehana. DH: "ravao izay rehetra hananany" na "poteho izay rehetra hananany"
|
||
|
|
||
|
# eo amin'ny tavanao
|
||
|
|
||
|
io dia manondro ny fotoana izay hiainoan'Andriamanitra. DH: "eo am-pandrenesanao"
|
||
|
|
||
|
# Indro
|
||
|
|
||
|
"Mijereva" na "Mihainoa izay rehetra holazaiko anao"
|
||
|
|
||
|
# eo am-pelatananao izay rehetra hananany
|
||
|
|
||
|
Ny "tanana" eto dia mampiseho ny herin'ny olona iray amin'ny fifehezany zavatra. DH: "mana-kery amin'izay rehetra hananany ianao."
|
||
|
|
||
|
# izy tenany ihany
|
||
|
|
||
|
"mamely ny vatana" DH: "fa aza manisy ratsy ny tenany" na "aza manisy ratsy ny vatany"
|
||
|
|
||
|
# niala teo anatrehan'i Yaveh
|
||
|
|
||
|
"niainga niala avy eo amin'Yaveh" na "nandao an'Yaveh"
|