plt_tn/isa/44/03.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
# handatsaka rano amin'ny tany mangetana, sy rian-doharano amin'ny tany maina Aho
Ny fanomezana ny Fanahiny ho an'ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nahatonga orana mba hilatsaka sy rian-drano hikoriana amin'ny tany maina Izy.
# ny tany mangetana
Ny tany maina dia resahina toy ny hoe olona mangetaheta izany. DH: "ny tany maina"
# handatsaka ny Fanahiko amin'ny zanakao Aho
Ny fanomezana ny Fanahiny ho an'ny vahoaka dia resahin'i Yaveh toy ny hoe rano izay ararany tamin'izy ireo ny Fanahiny. DH: "Hanome ny Fanahiko ho an'ny taranakao Aho"
# ary ho amin'ireo zanakao ny fitahiako
Afaka ampiana avy amin'ny andianteny teo aloha ny matoanteny. DH: "ary handraraka ny fitahiako amin'ny zanakareo Aho" na "ary hanome ny fitahiako ho an'ny zanakareo Aho"
# Hitsimoka eo amin'ny ahitra, tahaka ny hazomalahelo eo akaikin'ny rian-drano izy ireo
Ny vahoakan'Israely izay ambinina sy mitombo dia resahina toy ny hoe zava-maniry izay maniry satria manana rano be izy ireo.
# hazomalahelo
Ny hazomalahelo dia hazo manify rantsana izay maniry akaikin'ny rano.