plt_tn/isa/37/28.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no manohy ny hafatr'i Yaveh ho an'ny mpanjakan'i Asyria.
# Fa fantatro ny fipetrakao, ny fivoahanao, ny fidiranao
Io dia manondro ireo asa rehetra andavan'andro. DH: "Fantatro ny zavatra rehetra izay ataonao"
# ary ny hatezeranao Amiko
Ny teny hoe "hatezerana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "tena tezitra tokoa ianao"
# avonavonao
Eto ny hoe "avonavon'ny" mpanjaka dia manondro ny fiteniny feno avonavona. DH: "ny teninao feno avonavona"
# avonavonao izay nipàka tamin'ny sofiko
Io dia miresaka an'i Yaveh mandre ny tenin'ny mpanjaka toy ny hoe zavatra izay nandeha teo an-tsofiny ny tenin'ny mpanjaka. DH: "Reko niteny tamim-piavonavonana ianao"
# hametrahako ny farangoko eo amin'ny oronao, ary ny lamboridiko eo amin'ny vavanao
Mampiasa farango sy lamboridy ny olona mba hitarihana biby. Io dia miresaka an'i Yaveh mitarika ny mpanjaka toy ny hoe biby izay tarihin'i Yaveh amin'ny farango sy lamboridy ny mpanjaka. DH: "Hitarika anao tahaka ny olona mitarika ny biby amin'ny fametrahana farango eo amin'ny oronao sy lamboridy eo amin'ny vavanao Aho"
# haveriko any amin'izay lalana niavianao ianao
Io dia manondro ny hampiverenana ny mpanjaka mba ho any amin'ny tanànany ihany. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hanery anao hiverina any amin'ny tanànanao ihany Aho"