plt_tn/isa/35/05.md

44 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity andininy ity dia manomboka ny fanoritsoritana ny hoavy mamirapiratry ny vahoakan'Andriamanitra.
# hahiratra ny mason'ny jamba
"Ny jamba" dia manondro ny olona izay jamba. Tondroina amin'ny ''masony'' izy ireo mba hanindriana ny fahasitranany. DH: "hahita ny olona jamba"
# handre ny sofin'ny marenina
"Ny marenina" dia manondro ny olona izay tsy afaka mandre. Tondroina amin'ny "sofiny" izy ireo mba hanindriana ny fahasitranan'izy ireo. DH: "handre ny olona marenina"
# hitsambikina toy ny diera ny olona mandringa
Io dia midika fa ny olona izay tsy afaka mandeha dia ho afaka hitsambikina. Ny fahavitany mitsambikina dia atao itatra amin'ny filazana fa afaka mitsambikina tahaka ny diera izy. DH: "hitsambikina ambony ny malemy"
# hihira ny lelan'ny moana
Io dia manondro ny olona izay afaka miteny. Tondroina amin'ny "lelany" izy ireo mba hanindriana ny fahasitranany. DH: "hihira ny olona moana"
# any an'efitra ireo loharano
Ny teny tsy eo dia afaka ampiana. DH: "hikoriana any an'efitra ireo rian-drano"
# Ho tonga farihy ny fasika mandoro
Midika izany fa hisy dobon-drano eo amin'ny fasika mandoro. Ny hevitra fenon'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hisy dobo eo amin'ny fasika mandoro"
# ny tany mangetana
Eto ny tany maina dia soritsoritana toy ny hoe mangetana. DH: "ny tany maina"
# loharano miboiboika ny tany mangetana
Midika izany fa hisy loharano any amin'ny tany maina. Ny hevitra fenon'izany dia afaka atao mazava. DH: "Hisy loharano any amin'ny tany maina"
# amboahaolo
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 13:21 izany.
# volotara sy zozoro
Ireo dia zava-maniry izay maniry any amin'ny toerana mando.