plt_tn/isa/28/07.md

20 lines
1011 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fa na dia ireo aza
"Fa na dia ireo mpitarika aza"
# Ny mpisorona sy ny mpaminany
Io dia tsy midika hoe mpisorona na mpaminany voafaritra mazava. Fa manondro ireo mpisorona sy mpaminany amin'ny ankapobeny izany. DH: "Ireo mpisorona sy mpaminany"
# midoladola amin'ny divay, ary mivembena amin'ny zava-pisotro mahery
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa tsy afaka manao ny asan'izy ireo ny mpisorona sy ny mpaminany satria mamo tampona izy ireo. DH: "tafintohina eny rehetra eny satria mamo izy ireo"
# atelin'ny divay izy ireo
Ny fisotroan'izy ireo diso tafahoatra ka tsy afaka mihevitra mazava intsony dia resahina toy ny hoe nitelina azy ireo ny divay. DH: "nahatonga azy ireo ho very hevitra ny divay"
# mivembena amin'ny fahitana ary midoladola amin'ny fanapahan- kevitra
Tahaka azy ireo tena mamo ka tsy mandeha tsara, no maha-mamo azy ireo ka tsy mahatakatra ireo fahitana izay omen'Andriamanitra azy ireo na handray fanapahan-kevitra tsara.