plt_tn/isa/28/01.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Lozan'ny satro-boninahitra fehiloha mpirehareha...eo an-dohan'ny Lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay
Ny "fehiloha" dia satro-boninahitra vita amin'ny voninkazo. Eto dia manambara ny tanànan'i Samaria, dia ny renivohitr'Israely, izay mipetraka ambonin'ny lohasaha mamokatra izany. Samaria sy ny vahoakany noravaina dia resahina toy ny hoe voninkazo eo amin'ny fehiloha izay hiha-antitra ary tsy ho tsara intsony izany.
# Indro
"Henoy" na "Tandremo"
# izay resin'ny divay
"izay mamon-divay"
# ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka
Eto ny hoe "izay" dia manondro ny mpanjaka mahery izay manambara ny tafiny mahery ihany koa. DH: "ny Tompo dia mandefa ny mpanjaka miaraka amin'ny tafiny mahery"
# tafio-drivotr'avandra
Ny "tafio-drivotr'avandra" dia misy rehefa milatsaka avy any an-danitra ny vaingan-dranomandry mafy. Eto dia fampitahana izay manondro ny tafika fahavalo izay halefan'i Yaveh mba handringana ny vahoakan'i Samaria izany.
# hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy
Ny famotehan'ny mpanjaka sy ny tafiny mahery ny vahoakan'i Samaria sy ny tanànan'izy ireo dia resahina toy ny hoe hanipy ny fehilohan'ny vahoaka amin'ny tany ny mpanjaka.