plt_tn/isa/24/21.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ary
Io dia manamarika tranga tena manan-danja. Raha misy fomba hilazana izany amin'ny fiteninao, dia afaka mampiasa izany eto ianao.
# amin'izany andro izany
Eto ny hoe "andro" dia midika fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany"
# tompon'ny maron'ny avo
Ny teny hoe "tompon'ny maro" dia teny izay manondro zavatra maro be. Eto dia manondro ny toetra ratsy ara-panahy any an-danitra izany. DH: "toetra ratsy ara-panahy" na "ireo anjely izay nikomy taminy"
# any ambony
Eto ny hoe "ambony" dia manambara ny lanitra na ny habakabaka. DH: "any an-danitra"
# Hatambatra, ho gadra ao an-davaka, ary hidiana ao am-ponja izy ireo
Eto ny hoe "lavaka" dia manondro ny efitrano maizina na lavaka any am-ponja. DH: "Hanambatra azy ireo ho voafonjany sy hanidy azy ireo any an-davaky ny fonja Yaveh"
# ho voasazy izy ireo
DH: "Hanasazy azy ireo Yaveh"
# Dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro
Ny masoandro sy ny volana dia soritsoritana toy ny hoe olona izay menatra ny ho eo anoloan'ny olona izay manana fahefana ambony. Eo anatrehan'i Yaveh, dia ho toa tsy dia mazava ny tara-bolana sy masoandro.