plt_tn/isa/14/28.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# fa tapaka ny tsorakazo izay namely anareo
Ny tsorakazo izay namely ny Filistia dia maneho ny mpanjaka izay naniraka ny tafiny hanafika azy ireo. Ny fahapotehana dia maneho fahafatesana na faharesena. DH: "maty ilay mpanjaka izay naniraka tafika hamely anareo" na "resy ilay tafika namely anareo"
# Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana ... ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina
Ireo andian-teny roa ireo dia samy kisarisary maneho taranaka bibilava izay miha-mandoza noho ilay bibilava. Ireo dia maneho mpandimbin'ny mpanjaka izay mahery sy lozabe mihoatra ilay mpanjaka teo aloha.
# menarana
karazana bibilava misy poizina
# bibilava mirehitra manidina
Ny teny hoe "mirehitra" dia mety maneho ny kaikitry ny bibilava misy poizina, ary ny teny hoe "manidina" dia maneho ny fitsipatsipany haingana. DH: "bibilava misy poizina mitsipaka faingana"
# ny lahimatoan'ny mahantra
Ilazana ireo olona mahantra indrindra io. DH: "Ireo olona mahantra indrindra" na "ireo oloko mahantra indrindra"
# Ho vonoiko amin'ny mosary izay hahafaty ny sisa velona aminareo ny fakanareo
Eto ny hoe "fakanareo" dia manondro ny vahoakan'i Filistia. DH: "Hamono ny vahoakanareo amin'ny mosary izay hahafaty ireo sisa valona eo aminareo rehetra aho"