forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.8 KiB
Markdown
24 lines
1.8 KiB
Markdown
|
# Yaveh tompon'ny maro
|
||
|
|
||
|
Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.
|
||
|
|
||
|
# hanainga karavasy amin'izy ireo
|
||
|
|
||
|
"hikapoka ny Asyriana amin'ny karavasy." Tsy tena hampiasa karavasy Andriamanitra. Entina ilazana ny fahefan'Andriamanitra hanafay ny Asyriana amin'ny fomba henjana izany. DH: "hanafay ny Asyriana amin'ny fomba henjana toy ny amin'ny karavasy"
|
||
|
|
||
|
# toy ny tamin'ny nandreseny ny Midiana teo am-batolampin'i Oreba
|
||
|
|
||
|
Etina ilazana ny fotoana izay nanampian'Andriamanitra ny olona iray antsoina hoe Gideona mba handresy ny tafika Midiana izany.
|
||
|
|
||
|
# Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta
|
||
|
|
||
|
Io dia entina ilazana ny nataon'Andriamanitra mba hahatonga ny ranon'ny Ranomasina Mena hisaraka mba hahafahan'ny vahoakan'Israely mandositra ny Egyptiana ka nahatonga ny Egyptiana ho safotra tao anatin'izany. DH: "Hanampy anareo handositra ny tafik'i Asyria tahaka ny nanampiany ny razanareo handositra ny tafik'i Egypta Izy"
|
||
|
|
||
|
# ny vesany dia hiainga hiala amin'ny sorokao ary ny ziogany amin'ny vozonao
|
||
|
|
||
|
"hanala ny vesatra izay nataon'ny Asyria teo amin'ny sorokao Yaveh, ary hanala ny zioga izay napetrak'izy ireo teo amin'ny vozonao." Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Ny teny hoe "vesatra" sy "zioga" dia entina ilazana ny fanandevozana. DH: "Ho esorin'i Yaveh ireo Asyriana izay mampahory anareo ary hatsahany amin'ny fanandevozana anareo"
|
||
|
|
||
|
# Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana
|
||
|
|
||
|
Io fiteny io dia manolo-kevitra fa ny tendan'ny biby izay misy zioga dia hanjary hatavy loatra ka tsy ho omby an'ilay zioga intsony. Io dia sarin-teny ilazana an'Israely tonga matanjaka tokoa hany ka tsy afaka manapaka azy ireo intsony ny Asyriana. DH: "hanjary hatavy tokoa ny vozonareo hany ka hanapaka ilay zioga" na "ho tonga matanjaka tokoa ianareo hany ka tsy ho andevon'ny Asyriana intsony"
|