plt_tn/heb/10/11.md

20 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Amin'ny lafiny iray ... Amin'ny lafiny iray hafa
Ireo fehezanteny ireo dia nampiasaina mba hampitahana zavatra roa. Ny fiteninao dia mety manana fomba hanamafisana fa manao fanoharana ny mpanoratra. Na afaka esorinao ilay hoe "amin'ny lafiny iray" ary adika hoe "fa" fotsiny ilay hoe "amin'ny lafiny iray hafa."
# tsy afaka manala ireo ota mihintsy
Ity dia miresaka ny "fahotana" toy ny hoe zavatra izay afaka esorin'ny olona. DH: "tsy afaka hahatonga an'Andriamanitra hamela ireo fahotana mihintsy"
# nipetraka teo an-tanana ankavanan'Andriamanitra Izy
Eto ny "tanana ankavanana" dia maneho toeram-boninahitra. DH: "Izy dia nipetraka teo amin'ny toeram-boninahitra teo akaikin'Andriamanitra." Jereo ny nandikana izany tao amin'ny 1:1
# mandra-panaovana ireo fahavalony ho fitoeran-tongotra ho an'ny tongony
Ny fanalan'i Kristy baraka an'ireo fahavalony dia resahina toy ny hoe lasa fitoeran'ny fitsaharan'ny tongony izy ireo. DH: "mandra-panaovan' Andriamanitra ireo fahavalon'i Kristy ho afa-baraka ary lasa toy ny fitoeran-tongony"
# ireo izay nohamasinina
DH: "ireo izay hamasinin'Andriamanitra" na "ireo izay nanoloran'Andriamanitra ny tenany"