plt_tn/gen/41/09.md

40 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# lehiben'ny mpitondra kapoaka
Olona manan-danja indrindra izay nitondra ny zava-pisotron'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
# Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako
Ny teny hoe "Izao" eto dia nampiasaina ho fanindrina. Ny "fahotany" dia ny amin'ny tokony nilazany aloha tamin'i Farao ny zavatra izay niseho kanefa tsy nataony. DH: "izao vao tsapako fa nanadino niteny zavatra taminao aho"
# Tezitra (...) Farao
Manaja an'i Farao ilay mpitondra kapoaka satria izany no fomba rehefa miresaka amin'ny olona manana fahefana noho ny tena. DH: "Ianao, Farao, dia tezitra mafy"
# tamin'ireo mpanompony
Eto ny "...ny" dia ilazana an'i Farao. Eto ny "mpanompo..." dia ilazana ilay mpitondra kapoaka sy ny lehibehin'ny mpanao mofo. DH: "taminay, mpanomponao"
# nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo
"nanao ahy sy ilay lehiben'ny mpanao mofo tao am-ponja izay nisy ilay kapitenin'ny mpiambina niandraikitra." Eto ny "trano" dia ilazana ny fonja.
# kapitenin'ny mpiambina
Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1.
# ilay lehiben'ny mpanao mofo
Olona manan-danja indrindra izay manao ny sakafon'ny mpanjaka izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40:1.
# Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy
"indray alina dia samy nanofy izahay roa lahy"
# nanofy izahay
Eto ny "izahay" dia ilazana ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
# Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay
"samy manana ny heviny avy ireo nofinay"