plt_tn/gen/03/17.md

48 lines
2.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Adama
Ny anarana hoe: "Adama" dia mitovy amin'ny " lehilahy" amin'ny teny Hebreo. Misy fandikan-teny manao hoe: "Adama" ary ny sasany manao hoe: "ralehilahy". Afaka hampiasainao ireo endriny daholo ireo noho izy ilazana olona iray.
# nihaino ny feon'ny vadinao ianao
Fomba fiteny izany. DH: "nankato izay nolazain'ny vadinao ianao"
# nihinana avy tamin'ny hazo
Afaka milaza izay nohanin'izy ireo ianao. DH: "nihinana ny voan'ilay hazo" na "nihinana ny sasany tamin'ny voan'ilay hazo"
# Tsy azonareo hihinanana izany
"Tsy mahazo mihinana amin'izany ianareo" na "Aza mihinana ny voankazon'izany"
# voaozona ny tany
Ny teny hoe: "ozona" dia nalefa aloha ao amin'ity fehezanteny ity mba hanasongadinana fa ny tany, izay "tsara" (1:9), ankehitriny dia eo ambany ozon'Andriamanitra. DH: "Manozona ny tany Aho"
# amin'ny asa mampanaintaina
"amin'ny fanaovana asa mafy"
# hihinana avy amin'izany ianao
Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny tany ary sarin-teny hilazana ny faritrin'ny zava-maniry, izay maniry eo amin'ny tany, izay hohanin'ny olona. DH: "hihinana izay maniry eo amin'izany ianao"
# zava-manirin'ny saha
Ireo mety ho heviny dia 1) "ny zava-maniry izay nokarakarainao any amin'ireo sahanao" na 2)"ny zava-maniriniry ho azy any amin'ireo saha tsy voafefy."
# hihinana mofo ianao
Eto ny teny hoe:"mofo" dia filazana ny sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "hihinana sakafo ianao"
# Amin'ny hatsembohan'ny tavanao
"Amin'ny fanaovana asa mafy izay mahatsemboka ny tavanao"
# mandram-piverinao amin'ny tany
"mandra-pahafatinao ary ny vatanao dia atao ao amin'ny tany." Amin'ny kolon-tsaina sasany, dia ataon'izy ireo any anaty lavaka eo amin'ny tany ny fatin'ny olona izay maty. Ny asa mafin'ny olona dia tsy mifarana mandra-pahatongan'ny fotoanan'ny fahafatesany sy ny fandevenana azy.
# Fa vovoka ianao, ary hody vovoka
"Namboariko avy amin'ny tany ianao, koa dia ho lasa vovoka ny vatanao." Adikao amin'ny teny mitovy ny fisehon'ny hoe: "vovoka" mba hanehoana fa ny olona dia niandoha sy mifarana amin'ny toe-javatra mitovy.