plt_tn/ezr/07/14.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.
# Izaho, mpanjaka, sy ireo mpanolotsaiko fito
Ny teny hoe "Izaho" sy ny teny hoe "mpanjaka" dia manondro olona iray ihany. Mampahatsiahy ny vahoaka izay mandre ny taratasy izay izy no mpanoratra izany taratasy izany ny mpanjaka.
# hanontany mahakasika an'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitra
Izay tokony hanontanian'izy ireo ny momba izany dia afaka ambara mazava kokoa. DH: ''mba hanadihady ny fitrangan-javatra any Joda sy Jerosalema, mba hahafantarana raha mankatoa ny lalàn'i Yaveh izy ireo na tsia"
# Tsy maintsy entinareo ny volafotsy sy ny volamena
Ny any amin'izay hitondran'izy ireo izany dia afaka ambara mazava. DH: "Tsy maintsy mitondra ny volafotsy sy volamena any Jerosalema ianareo"
# ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotr'izy ireo an-kalalahana
Ny hoe "an-kalalahana" dia midika hoe tsy noterena hanome vola izy ireo. Nanome izany izy ireo satria te hanome. DH: "ny volafotsy sy volamena izay nomen'izy ireo an-tsitra-po"
# izay efa natolotry ny vahoaka sy ireo mpisorona an-kalalahana
DH: "izay nomen'ny olona sy ireo mpisorona an-kalalahana"