plt_tn/exo/04/14.md

24 lines
1016 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# faly ao am-pony izy
Eto ny hoe ''fo'' dia manondro ny eritreritra anaty sy fihetseham-po. DH: ''ho faly be izy'' (UDB)
# hametraka ny teny hotenenina eo am-bavany
Ireo teny eto dia resahana toy ny hoe zavatra izay azo apetraka mivaingana ao am-bavan'ny olona. DH: ''omeo hafatra izy fa tokony hamerina izy''
# Izaho homba ny vavanao
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny safidin-tenin'i Mosesy. DH: ''Hanome anao ny teny marina ho tenenina Aho''
# eo am-bavany
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny safidin-tenin'i Arona. DH: ''Hanome anao ny teny marina ho tenenina Aho''
# Ho vavanao izy
Ny teny hoe ''vava'' eto dia manondro ny famerenan'i Arona izay nolazain'i Mosesy azy. DH: ''Hiteny izay asianao tenineniny izy''
# ary aminy ianao dia ho tahaka Ahy, Andriamanitra
Ny teny hoe ''tahaka'' eto dia midika fa te haneho i Mosesy fa mitovy ny fahefany sy ny an'i Arona tahaka ny nataon'Andriamanitra an'i Mosesy. DH: ''Hiresaka amin'i Arona amin'ny fahefana mitovy izay hiresahako aminao ianao''