plt_tn/eph/05/08.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fa maizina ianareo fahiny
Tahaka ny tsy ahitan'ny olona iray ao anaty haizina, no tsy hananan'ny olona tia manota ny fahazoana ara-panahy.
# fa izao ianareo dia fahazavana ao amin'ny Tompo
Tahaka ny olona iray afaka mahita ao anaty hazavana, no hahazoan'ny olona izay novonjen' Andriamanitra ny fomba hampifaliana an' Andriamanitra.
# Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
''Miainà toy ny olona izay mahatakatra izay tian'ny Tompo hataon'izy ireo.''
# ny vokatry ny fahazavana dia ao amin'ny fahatsarana rehetra, fahitsiana, sy fahamarinana
Tahaka ny hazo mamokatra manome voa tsara, no hanaovan'ny mpino izay tsara, hanaovana ireo zavatra marina tian'Andriamanitra ataony, sy hitenenana teny marina.
# Aza mikambana amin'ny asa tsy mamokatry ny haizina
Paoly miresaka ireo zavatra tsy misy ilàna azy, mampanota izay ataon'ireo tsy mpino toy ny hoe asa ratsy ataon'ny olona any amin'ny maizina izany mba tsy hisy hahita ireo. DH: ''Aza manao zavatra tsy misy dikany, mampanota miaraka amin'ireo tsy mpino''
# asa tsy mamokatra
Asa izay tsy manao na inona na inona tsara, ilaina, na mahasoa.
# ampiharihario kosa ireo
''ento eo amin'ny mazava izany'' na ''aza saromana izany'' na ''ampisehoy ary teneno ny olona ny maha-diso ireo asa ireo''