forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.5 KiB
Markdown
24 lines
1.5 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
|
||
|
|
||
|
Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy.
|
||
|
|
||
|
# Hampivangongo loza eo amin'izy ireo Aho
|
||
|
|
||
|
Yaveh dia miresaka ireo zavatra ratsy izay hitranga amin'ireo Israelita toy ny hoe zavatra toy ny vovoka izay afaka havangongoniny eo ambonin'ireo Israelita izany. DH: "ho alaiko antoka fa hisy zavatra maro hitranga amin'izy ireo"
|
||
|
|
||
|
# Hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìkako rehetra Aho
|
||
|
|
||
|
Eto Yaveh dia mampitaha an'ireo zavatra ratsy izay alainy antoka fa hitranga amin'ireo Israelita amin'ny olona mitifitra zana-tsipìka avy amin'ny tsipìka. DH: "Ho ataoko izay rehetra vitako mba hamonoana azy ireo"
|
||
|
|
||
|
# Ho fatin'ny hanoanana izy ireo
|
||
|
|
||
|
DH: "halemy izy ireo ary ho faty satria noana"
|
||
|
|
||
|
# Ho fatin'ny hanoanana izy ireo ary ho levonin'ny hafanana mahamay sy fandravana mafaitra
|
||
|
|
||
|
Ireo mety ho hevitry ny hoe "hafanana mahamay" dia 1) hijaly amin'ny tazo ireo Israelita na 2) hafana tsy tahaka ny mahazatra ny andro mandritry ny main-tany sy mosary. DH: "Ho fatin'ny hanoanana izy ireo, ary handevona azy ireo ny hafanana mahamay sy loza mahatsiravina" na "Ho fatin'ny hanoanana izy ireo, ary ho fatin'ny hafanana mahamay sy loza mahatsiravina"
|
||
|
|
||
|
# Halefako ho eo amin'izy ireo koa ny nifin'ireo bibidia, miaraka amin'ny poizin'ny biby mandady amin'ny vovoka
|
||
|
|
||
|
Ny nify sy poizina dia entina hilazana an'ireo biby izay mampiasa an'ireo zavatra ireo mba hamonoana. DH: "Handefa bibidia mba hamely azy ireo Aho, ary zavatra mandady amin'ny vovoka mba hamely sy hanapoizina azy ireo"
|