plt_tn/deu/28/52.md

16 lines
851 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'ireo Israelita raha tsy mankato an'i Yaveh izy ireo. Izy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.
# anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra
Eto ny hoe "vavahadin'ny tanàna" dia maneho tanàna iray. DH: "ireo tanànanao"
# ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy
Eto ny hoe "nofon'ny zanakao lahy sy ny an'ny zanakao vavy" dia manazava ny sarinteny hoe "izay naterakao." Ny vahoaka dia ho noana mafy rehefa manodidina ny tanànan'izy ireo ny fahavalo ka hihinana ny zanany ihany izy ireo.
# vokatry ny vatanao
Ity dia miresaka ny zanaka toy ny hoe voankazo izay novokarin'ny vatan'ny ray aman-dreniny izany. DH: "ireo zanakao ihany"