plt_tn/deu/19/01.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely i Mosesy.
# Rehefa manapaka ireo firenena ireo Yaveh Andriamanitrareo
Yaveh mandrava ny vahoaka izay monina any Kanana dia resahina toy ny hoe manapaka azy ireo Izy, tahaka ny iray izay hanapaka sombin'akanjo na hanapaka rantsana eo amin'ny hazo.
# ireo firenena
Ity dia maneho ireo vondron'olona izay monina any Kanana.
# ireo tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo
"ireo firenena izay nonina tany amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo"
# rehefa maka
"maka ny tany amin'ireo firenena ireo" na "maka fananana ilay tany rehefa lasa ireo firenena"
# misafidiana tanàna telo
"misafidiana tanàna 3"
# Manamboara lalana
Tokony hamboatra lalana izy ireo mba ho mora amin'ny olona ny handeha ho any amin'ireo firenena ireo.
# zarao ho telo ny faritaninareo
Izany dia midika fa ny iray amin'ireo firenena izay safidian'izy ireo dia tsy maintsy any amin'ny fizaran'ny tany tsirairay.
# ny tany izay navelan'i Yaveh Andriamanitrareo ho lovainareo
Yaveh manome ilay tany ho an'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe olona mandova ilay tany ilay vahoaka.