plt_tn/3jn/01/01.md

40 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Jaona dia niarahaba an'i Galo.
# Fampafahantarana amin'ny ankapobeny:
Ity dia taratasy manokana avy amin'i Jaona ho an'i Galo. Ny tranga rehetra amin'ny "ianao" sy "anao" dia miresaka an'i Galo.
# Ny loholona
Io dia miresaka an'i Jaona, apostoly sy mpianatr'i Jesosy. Izy dia manambara ny tenany ho "loholona" na noho ny fahanterany na noho izy mpitarika ao am-piangonana. Ny anaran'ny mpanoratra dia azo atao mazava. "Izaho, Jaona loholona, no manoratra."
# Galo
Izy io dia mpiray finoana izay nanoratan'i Jaona ity taratasy ity.
# Ilay tiako amin'ny fahamarinana
"Izay tena tiako."
# Mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary ho salama
"Ahomby amin'ny zavatra rehetra ianao ary ho salama."
# Toy ny hanambinana ny fanahinao
"Tahaka ny ahombiazanao ara-panahy."
# Rahalahy
"Mpiray finoana."
# Nijoro vavolombelona tamin'ny fahamarinanao, tahaka ny andehananao amin'ny marina
"Lazao amiko fa ianao dia miaina araka ny fahamarinan'Andriamanitra."
# Ny zanako
Jaona dia miresaka momba ireo izay nampianariny hino an'i Jesosy ho toy ny hoe zanany ireo. Izany dia manantitrantitra ny fitiavany sy ny fiahiny azy ireo. Azo atao koa hoe izy tenany dia nitondra azy ireo ho any amin'ny Tompo. DH: "Ny zanako ara-panahy."