plt_tn/2sa/14/32.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Indro
Io teny io eto dia nampiasaina ho fomba fiteny mba hanampiana fanindriana, fanamafisana izay holazaina manaraka. DH: "Henoy"
# nandefa teny taminao aho
Eto ny hoe "teny" dia sarinteny ho an'ny hoe "hafatra". Izany dia midika fa nandefa mpitondra hafatra izy. DH: "Nandefa mpitondra hafatra izy"
# ho any amin'ny mpanjaka mba hilaza hoe
Ny hafatra ho an'ny mpanjaka eto dia nosoratana toy ny hoe i Absaloma no mpiteny. Nangataka an'i Joaba mba hilaza ny hafatra ho azy i Absaloma. Ny tena dikan'io fanambarana io dia afaka azavaina. DH: "mba hilaza amin'ny mpanjaka ho azy" na "mba hanontany ny mpanjaka ho ahy"
# tavan'ny mpanjaka
Eto ny hoe "tavan'ny mpanjaka" dia manondro ny mpanjaka mihitsy. DH: "ny mpanjaka"
# niankohoka ambany teo amin'ny tany nanoloana ny mpanjaka
Maneho fanajana ny mpanjaka i Absaloma. DH: "niankohoka ambany tamin'ny tany mba hanome voninahitra ny mpanjaka"
# norohan'ny mpanjaka i Absaloma
Izany dia midika fa namela sy namerina an'i Absaloma ny mpanjaka. Ny tena dikan'izany dia afaka azavaina.