plt_tn/2sa/13/27.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Noteren'i Absaloma i Davida
Eto ny mpanoratra dia miresaka an'i Absaloma mamporisika an'i Davida mba hamela an'i Amnona handeha toy ny hoe nanosika ara-batana azy izy. DH: "Niangavy an'i Davida i Absaloma mba handeha i Amnona"
# Aza matahotra
Io dia manazava fa tsy tokony hatahotra ny voka-dratsin'ny famonoana an'i Amnona izy ireo. Io dia afaka ambara mazava. DH: "Aza matahotra ny hoe ho manan-tsiny amin'ny famonoana ny zanaky ny mpanjaka ianareo"
# Tsy efa nandidy anareo ve aho?
Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Absaloma mba hanindriana fa izy no ho voatondro amin'ny famonoana an'i Amnona satria izy no mandidy azy ireo. DH: "Efa nandidy anareo mba hanao izany aho." na "Izaho no ho meloka amin'ny famonoana azy satria izaho no nandidy anareo hanao izany."
# Tsy efa nandidy anareo
Izay nandidian'i Absaloma mba hataon'izy ireo dia mety ambara amin'ny fanontaniana. DH: "tsy efa nandidy anareo mba hamono azy"
# zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra
Tsy anatin'izany i Absaloma sy i Amnona izay maty. Ny ao anatin'izany dia ireo zanaka lahy ambiny izay navelan'ny mpanjaka handeha hankalaza. DH: "ny ambin'ny zanaka lahin'ny mpanjaka"
# ny olona rehetra
Io dia manondro ireo zanaka lahin'ny mpanjaka niala tao amin'ny fankalazana.