plt_tn/2pe/02/12.md

48 lines
2.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia natao
DH: "ireo biby tsy manan-tsaina ireo dia teraka voajanahary."
# Ireo biby tsy manan-tsaina ireo
Tahaka ny tsy ahafahan'ireo biby misaina, dia afaka tsy mieritreritra ihany koa ireo olona. DH: "ireo mpampianatra sandoka izay tahaka ny biby tsy misaina."
# Tsy fantatr'izy ireo izay tsiratsirain'izy ireo
Izy ireo dia miteny ratsy ny zavatra tsy fantatra na tsy takatr'izy ireo.
# Ho potika izy ireo
DH: "Andriamanitra dia hamotika azy ireo."
# Handray ny valisoan'ny zavatra ratsy nataony izy ireo
Petera dia miresaka ireo sazy izay ho raisin'ireo mpampianatra sandoka toy ny hoe valisoa. DH: "Izy ireo dia handray izay sahaza azy ireo noho ny zava-dratsy nataony.
# Ny tsy fiafiana mandritry ny andro
Eto ny teny hoe: "tsy fiafiana" dia manondro ny fitondran-tena tsy voahevitra tahaka ny hatendan-kanina, hamamoana, ary ny fihetsika mamoafady. Ny fanaovana ireo zavatra ireo mandritry ny andro dia maneho fa ireo olona ireo dia tsy menatra amin'ireo fitondran-tena ireo.
# Izy ireo dia be pentipentina sy tsiny
Ny teny hoe: "pentina" sy "tsiny" dia mizara dikany mitovy. Petera dia miresaka ny mpampianatra sandoka ho toy ny hoe misy pentina ny akanjony ka miteraka fahamenarana ho an'izay manao izany. DH: "Izy ireo dia tahaka ny pentipentina sy tsiny amin'ny akanjo, izay miteraka fahafaham-baraka."
# Manana maso feno fijangajanga izy ireo
Ny fananana ireo "maso feno" dia midika fa izy ireo dia adalan'izay zavatra rehetra hitany. Mety ho dikany dia izao: 1) "Izy ireo dia mieritreritra ny vehivavy tsirairay izay hitany fa mpijangajanga ary te hiara-mandry aminy." na 2) "Izy ireo dia mitady vehivavy mijangajanga hatrany mba hiarahana mandry."
# Tsy afa-po amin'ny fahotana mihitsy izy ireo
Na dia manota aza izy ireo mba hanomezana fahafaham-po ny filàny, dia tsy mahafa-po mihitsy ny fahotana izay ataon'izy ireo.
# Mitarika fanahy tsy mety maty izy ireo
Eto ny teny hoe: "fanahy" dia manondro olona. DH: "Izy ireo dia mitarika olona tsy miorina."
# Fo voaofana amin'ny fitsiriritana
Eto ny teny hoe: "fo" dia manondro ny eritreritra sy fihetseham-po. Noho ireo fihetsika mahazatra ataony, izy ireo dia nampiofanina manokana mba hieritreritra ary hitsiriritra.
# Zanaky ny fanozonana
Ny teny hoe: "zanaka" dia manondro ireo izay voaozona. DH: "Izy ireo dia olona voaozon'Andriamanitra."