auto save

This commit is contained in:
MAD136 2020-02-18 01:04:48 -05:00 committed by root
parent 94a59ff1e9
commit 949d4d1808
1 changed files with 1 additions and 0 deletions

1
14/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
25 Ary vahôky maro gne nandeha niray taminazy, ary nitodiky Izy ary nizaka andreo hoe: 26 «laha misy aminareo magnato Enah ary tsy malaigny eniabany, eniendriny, gne vadiny, gne zanany, gne rahalahany sy gne rahavaviny, ary na gne fianany koa, da tsy afaky gne ho mpianatriko izy. 27 Niza niza tsy minday gnhazofijaliany ary magnaraky Enah da tsy afaky ho mpianatriko. 28 Fa ia aminareo, gne magniry gne hangala tilikambo, gne tsy mipetraky aloha ary mikôty gne fandania raha mana izay hilay hamita eniza izy? 29 Raha tsy iza, rehefa nagnisy gne fototry izy nefa tsy hahavita eniza anefa, da hanomboky hagnome tsigny endreo aby gne mahita, 30 magnano hoe: «io lelah io gne nanomboky nananga kanefa tsy nahavita eniza». 31 Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifanohitry amgne mpanjaka hafa amgne ady, gne tsy hidoboky aloha ary hangala hevitry raha miray amgne lelah ariva raiky da afaky hiady amgne mpanjaka hafa izay avy nanohitry enazy miaraky ame lelah roy aly? 32 Raha tsy iza , raha mbola lavitry gne tafiky hafa, da mandefa antoko izy ary mangataky fepetry ho ame fihavana. 33 Ka noho iza, niza niza aminareo tsy mahafoy enizay hananany aby da tsy afaky ho mpianatriko izy. 34 Tsara gne sira, fa laha very gne tsirone sira, akoingaia gne hahamasy enazy koa? 35 Tsy misy ilane tany azy na da gne zezike tany aza, Aria fotsiny iza. Gne mana-sofy ho enti-miteno, aokizy hiteno».