auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 15:49:36 +03:00 committed by root
parent 8cfb1913dc
commit 90e9ffaf35
22 changed files with 22 additions and 0 deletions

1
23/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Nitsangana ny ôla daôly tamin-jareo, ary nitondra an'i Jesosy takeo agnolôn'i Pilato.\v 2 Nagnomboka nempanga an'Azy zareo, nitare hoe: "Hitanay ty leila ty nametaveta ny firenenay, nandrara ny hagnomezana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaza fa Izy tegnany mitsy no Kristy, mpanjaka."

1
23/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Pilato nagnotany an'Azy, nitare hoe: "Anao ma no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly an'azy ary nitare hoe: "Vôlazanao." \v 4 Pilato nitare tam'reo lôhan'ny mpisorona sy reo vahôka hoe: "Tsy mahita fadisona am'ty leila ty za." \v 5 Fa mbôla nagnizingizigna zareo, nitare hoe: "Magnakorontana ny vahôka io, mampianatra eragn'i Jodia manontolo, manomboka avy aigny Galilia na hatraty am'ty tôrana ty aza."

1
23/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Ka rafa regnin'i Pilato zany, de nagnontany izy raha ôtra ka Galiliana le leila. \v 7 Rafa hitany fa takao ambany faefan'i Heroda Izy, de nalefany Jesosy nankaigny amin'i Heroda, ze taigny Jerosalema iany kô tam'zany andro zany.

1
23/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Rafa tazagn'i Heroda Jesosy, de tegna ravoravo izy, satria efa te-hahita an'Azy hatramin'ny ela. Naregny ny momba an'Azy izy ary nagnantena ny hahita fagagana betsaka nataony. \v 9 Heroda nametra-pagnontanena an'i Jesosy tamin'ny teny maro, saingy Jesosy tsy namaly na ino na ino an'azy. \v 10 Reo lôhan'ny mpisorona sy reo mpanora-dalàna nitsangana, nempanga mafy an'Azy.

1
23/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Heroda sy reo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnesoeso an'Azy. \v 12 Avekeo de nampekanjo an'Azy lamba tsara tarehy zareo ary nalefan-jareo niverigna taigny amin'i Pilato Izy. Fa Heroda sy Pilato de lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (Talôhan'zany de mpifavalo zareo).

1
23/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Avekeo Pilato nagnantso an'reo lôhan'ny mpisorona sy reo mpanapaka ary reo vahôka betsaka niaraka, \v 14 ary nitare tamin-jareo hoe: "Nentinareo taketo aminà ty leila ty salan'ny leila ze mitarika ny ôla hagnano ratsy, ary jerevo, za, raha nametra-pagnontanena tamin'Azy takeo agnolônareo, de tsy mahita fadisôna am'ty leila ty makasika an'reo ra ze hiampanganareo an'Azy.

1
23/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Tsia, na de Heroda aza, satria nalefany niverigna taty amintsika Izy, ary jerevo, tsisy na ino na ino ze mendrika fafatesana vitany.\v 16 Noho zany de ho faiziko Izy, ary havotsotro Izy."\v 17 [Fagnamarihana: Reo fandikana tsara ndrindra de tsy magnisy ny And17 hoe: Ary Pilato de vôtery namotsotra gadra raika ho an'reo Jiosy tamin'ny andro firavoravôna.]

1
23/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Fa niara-nikikika mafy zareo, nagnano hoe: "Ento aigny io leila io, ary avotsory ho an'nay Barabasy!" \v 19 Barabasy de leila raika ze nampidirigna am-ponja nohon'ny fikomiana betsaka takao an-tanàna sy famonoana ôla.

1
23/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Ary nitare tamin-jareo ndre Pilato, nangniry ny hamotsotra an'i Jesosy. \v 21 Saingy nitabataba mafy zareo, nitare hoe: "Homboy Izy, homboy Izy." \v 22 Nitare tamin-jareo fanintelony izy hoe: "Magnino, fa ino no ratsy vitan'ty leila ty? Tsy nahita na ino na ino ze mendrika sazy famonoana takao amin'Azy za. Noho zany rafa avy magnafay an'Azy, de hamotsotra an'Azy za."

1
23/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Fa zareo nagnizingizigna tamin'ny feo avo, nangataka an'Azy mbô homboana. Ny feon-jareo de nandresy latra an'i Pilato. \v 24 Ka de nanapa-kevitra ny haneky ny fangatahan-jareo Pilato. \v 25 Navotsony le raika nangatahin-jareo ze nalefa taigny am-ponja nohon'ny fikomiana sy famonoana ôla. Fa natolony ho amin'ny Sitrapon-jareo Jesosy.

1
23/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Betsaka tam'reo vahôka, sy reo vevavy ze nalaelo mafy sy nisaona an'Azy, no nagnaraka an'Azy. \v 28 Fa rafa nitodika taigny amin-jareo, de nitare Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Anà, fa mitomane ho an'ny tegnanareo sy ho an'reo zanakareo.

1
23/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Fa indro, ho avy ny andro ze hitinenan-jareo hoe: 'Sambatra reo momba sy reo kibo ze tsy niteraka, ary ny nono ze tsy nampinono zaza.' \v 30 Ary de hagnomboka hitare am'reo tendrombotra zareo hoe: 'Menjerà aminay,' ary amin'ny tanety hoe: 'Magnarôna an'nay.' \v 31 Fa raha magnano an'zany ra zany zareo raha mbôla maitso ny kakazo, ino no hitranga rafa maigna zany?"

1
23/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Nisy leila hafa, olon-dratsy anakiroa, nentina niaraka tamin'Azy mbô ho vonoina.

1
23/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Rafa tonga takeo amin'ny tôrana raika ze antsovina hoe: "Ikarandoha" zareo, de takeo no nagnomboan-jareo an'Azy, sy reo ôlon-dratsy - ny raika takeo amin'ny ankavanany ary ny raika takeo amin'ny ankaveny. \v 34 Jesosy nitare hoe: "Ray ô, mamelà an-jareo, fa tsy fanatr'zareo ze ataony." Avekeo de niloka zareo, naizarazara reo fitafeny.

1
23/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 De nitsangana nijery takeo reo ôla raha mbôla nagnanihany an'Azy kô reo mpanapaka, nitare hoe: "Namonjy an'reo hafa Izy. Avelao Izy hamonjy ny tegnany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, le raika vôfidy."

1
23/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 Reo miaramila iany kô de nagnala baraka an'Azy, nagatona an'Azy, nagnome an'Azy vinaikitra, \v 37 ary nitare hoe: "Raha Anao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tegnanao."\v 38 Nisy famantarana iany kô takeo agnambony hoe: "Ty no mpanjakan'ny Jiosy."

1
23/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 Ny raika tam'reo ôlon-dratsy ze nisangatona takeo no namingavinga an'Azy tamin'ny nitinenany hoe: "Tsy anao ma no Kristy? Vonjeo ny tegnanao sy zahay." \v 40 Fa ny anakiray nitare mafy an'azy, nagnano hoe: "Tsy mbô matatra an'Andriamanitra ma anao, raha samy ambanin'ny fagnamelôna mitovy iany?\v 41 Tsika de aketo ara-drarigny tokoa, satria mandray ze mendrika ny asantsika tsikana. Fa ty leila ty tsy nagnano ra ratsy."

1
23/42.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 42 Avekeo izy nitare hoe: "Jesosy ô, tadidio za rafa tonga aigny amin'ny fanjakanao Anao."\v 43 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Taraviko marina aminao, fa gniany anao de hiaraka aminà aigny am-paradisa."

1
23/44.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 44 Ary ora faenina teo ho eo tam'zany, ary ny aizigna avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fasivy \v 45 raha ne maizigna ny hazavan'ny masoandro. Avekeo ny lamban'ny tempoly de nizara avy takeo ampovôny.

1
23/48.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 48 Rafa tazagn'reo vahôka daôly ze niara-tonga ho vavolombelona nagnatri-maso reo ra nitranga reo, de niverigna niteha-tratra zareo.\v 49 Fa reo daôly ze nafantatra an'Azy, sy reo vevavy ze nagnaraka an'Azy avy aigny Galilia, de nitsangana taigny alavidavitra, nijery an'zany ra zany.

1
23/52.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 52 Io leila io, raha nagnatona an'i Pilato, de nangataka ny vatan'i Jesosy. \v 53 Nalainy nidigna zany, norakofany hariry madinika, ary napetrany takao agnaty fasagna raika ze novakiana tamin'ny vatolampy, ze tsy mbôla nisy ôla nalevigna mitsy.

1
23/54.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 54 Andron'ny fiomanana tam'zany, ary mbôla nazava ratsy ny Sabata. \v 55 Reo vevavy, ze niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, de nagnaraka avy akao afara ary natazagna fasagna sy ny fomba nametràna ny fatiny.\v 56 Niverigna zareo, ary nagnomana ra magnitra sy menaka magnitra. Ary tamin'ny Sabata de nitsahatra zareo araka ny didy.