auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 15:31:33 +03:00 committed by root
parent d2cb16772f
commit 8cfb1913dc
18 changed files with 18 additions and 0 deletions

1
18/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Avekeo Izy nilaza fagnoharana tamin-jareo ny momba ny tokony hivavahan-jareo mandrakariva, ary tsy ho kivy, \v 2 nitare hoe: "Takao amin'ny tanàna raika de nisy mpitsara ze tsy natatra an'Andriamanitra ary tsy nagnaja ôla.

1
18/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Ary nisy mpitondra-tegna raika takao amin'io tanàna io, ary izy nankaigny amin'azy matetika, nitare hoe: 'Ampio za mbô ahazoko rariny magnolôna ny favaloko.' \v 4 F'efa hatramin'ny ela izy no tsy vognona ny hagnampy an'azy, fa tafarakelin'zanyde nitare tamin'ny tegnany izy hoe: 'Na de tsy matatra an'Andriamanitra aza za na tsy manaja ôla, \v 5 fa kô satria manahirana anà ty mpitondra-tegna ty, de hagnampy an'azy za mbô ahazoany rariny, mbô tsy handreraka anà nohon'ny fivezivezeny lava aty tsony izy.'"

1
18/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Avekeo itare ny Tompo hoe: "Rigneso ze ambaran'le mpitsara tsy marina. \v 7 Ary tsy hitondra rariny ho an'ze vôfidiny ze magnantso mafy an'Azy magnalin'andro kô ma Andriamanitra? Hangatak'andro lava amin-jareo ma Izy? \v 8 Lazaiko aminareo fa hitondra rariny malaky amin-jareo izy. Ôtran'zany kô, rafa tonga ny Zanak'Ôla, hahita finoana ety an-tany tokoa ma Izy?"

1
18/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Avekeo kô Izy nilaza an'zao fagnoharana zao tamin'ny sasagny ze nahatoky ny tegnan-jareo fa hoe marina sy magnevateva an'reo ôla hafa: \v 10 'Nisy rô lahy niakatra takao an-tempoly mbô hivavaka - ny raika de Fariseo ary ny raika hafa de mpamory hetra."

1
18/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Le Fariseo nitsangana ary nivavaka an'reto ra momban'ny tegnany reto hoe: 'Andriamanitra ô, misaotra An'nao za fa tsy mitovy amin'ôla hafa - mpangalatra, ôla tsy marina, mpijangajanga - na salan'ty mpamory hetra ty aza. \v 12 Mifady ahanina indroa isan-kerinandro za. Magnome ny ampafolon'ze azoko daôly za.'

1
18/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa le mpamory hetra, nitsangana taigny alavitra, tsy nety nanandratra ny masony taigy amin'ny lagnitra akory, fa niteha-tratra, nitare hoe: 'Andriamanitra ô, mamindrà fo aminà, mpagnota.' \v 14 Milaza aminareo Za, io leila io de niverigna nidigna taigny an-tragnony vômarina noho le raika, satria ze daôly magnandra-tegna de hahetry, fa ze daôly manetri-tegna no hasandratra."

1
18/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Nisy ôla kô de nitondra ny zagnany kely takeo amin'Azy, mbô hikasihany an-jareo, fa rafa natazagna an'zany reo mpianatra, de niteny mafy an-jareo. \v 16 Fa Jesosy nagnantso an-jareo hagnatona an'Azy, nikoragna hoe: "Avelao ny zaza hagnatona Anà, ary aza raràna zareo. Fa an'ny ôtran-jareo ny fanjakan'Andriamanitra. \v 17 Taraviko marina aminareo, n'iza n'iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra ôtran'ny zaza de tsy hiditra akao am'zany mitsy."

1
18/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ary nisy mpanapaka raika nagnontany an'Azy, nagnano hoe: "Mpampianatra tsara ô, ino no tsy maintsy hataoko mbô handovako ny fiaignana mandrakizay?" \v 19 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Magnino Za no antsovinao hoe tsara? Tsisy ôla tsara, afa-tsy Andriamanitra rerika iany. \v 20 Fantatrao reo didy - Aza mijangajanga, aza mamono ôla, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelona mandainga, magnajà ny rainao sy ny reninao." \v 21 Nitare le mpanapaka hoe: "Zany daôly zany de efa nankatoaviko hatramin'ny za tanora."

1
18/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Rafa naregny an'zany Jesosy, de nikoragna hoe: ""Ra raika no tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotra ze daôly anagnanao anao ary mizara an'zany amin'ny mahantra, ary hanagna harena aigny an-danitra anao - ary ave, magnarà Anà." \v 23 Fa rafa naregny an'reo ra reo le mpanapaka, de nanjary nalahelo lôtra, fa nanan-karena be izy.

1
18/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Ary Jesosy, nahita an'azy, nanjary nalahelo mafy [Fagnamarihana: Reo manam-pahaizana de misara-kevitra raha tokony ho ampidirina aketo ny teny hoe: [Izy] de nanjary nalahelo mafy. Ampitahao ny And 23] ary nitare hoe: "Manakôry ny fahasarotan'ny fidirana akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'reo ze mpanan-karena! \v 25 Fa moramora kokoa ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitra, nohon'ny hidiran'ny ôla mpanan-karena raika akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."

1
18/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Reo ze naregny an'zany de nitare hoe: "Iza ary ma zany no afaka ho vonjena?" \v 27 Jesosy namaly hoe: "Reo ra ze tsy hain'ôlombelona de hain'Andriamanitra."

1
18/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Petera nitare hoe: "Indro, nandao ny ra daôly zay an'nay zahay ary nagnaraka An'nao."\v 29 Ary Jesosy nitare tamin-jareo hoe: "Taraviko marina aminareo, fa tsisy ôla ze nahafoy tragno, na vady, na ralahy, na ray aman-dreny, na zagnaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra, \v 30 ze tsy hahazo bebe kokoa am'ty zao tontolo zao ty, ary amin'ny andro ho avy, de fiaignana mandrakizay."

1
18/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Rafa avy nanangona ny rombefolo lahy takeo amin'Azy Izy, de ozy tamin-jareo hoe: "Indro, miakatra ho aigny Jerosalema tsika, ka reo ra daôly ze vôsoratr'reo mpaminagny momban'ny Zanak'Ôla de ho tanteraka.\v 32 Fa hatolotra akeo am'reo Jentilisa Izy, ka himezana, sy halana baraka, ary ho roràna. \v 33 Afaran'ny hitarôna an'Azy, de ho vonon-jareo Izy ary amin'ny andro fatelo de hitsangana ndre Izy."

1
18/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 Tsy natakatra na ino na ino tam'reo ra reo zareo, ary nafenina tamin-jareo zany teny zany, ary tsy azon-jareo ny ra ze vôlaza.

1
18/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Ary raha nanakeky an'i Jeriko i Jesosy, de nisy leila jamba raika nipetraka takeo an-tsisin-dalana nangataka, \v 36 ary raha naregny ny vahôka nandalo, de nagnotany ze ra nitranga izy. \v 37 Nilaza tamin-jareo hoe nandalo takeo Jesosy avy aigny Nazareta.

1
18/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Ka nagnantso mafy le leila jamba, nagnano hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà." \v 39 Fa reo ze nande nelô de niteny mafy an'le leila jamba, ka nitare tamin'azy mbô hangina. Fa izy vô maika nagnantsognantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindrà fo aminà."

1
18/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Jesosy nijagnona ary nandidy ny mbô hitondrana an'le leila ho akeo amin'Azy. Ary rafa teo ankeky le leila jamba, de nagnontany an'azy Jesosy hoe: \v 41 "Ino no tenao hataoko ho an'nao?" Nitare izy hoe: "Tompo, te hahiratra za."

1
18/42.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 42 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mahiràta. Ny finoanao no nahasitrana an'nao." \v 43 Takeo noho eo de nahiratra izy ary nagnaraka an'Azy, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. Ny ôla daôly, rafa natazagna an'zany, de nagnolotra fiderana ho an'Andriamanitra.