auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 15:29:08 +03:00 committed by root
parent 72cff72326
commit d2cb16772f
15 changed files with 15 additions and 0 deletions

1
13/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tam'zany andro zany, nisy ôla sasagny takeo nilaza tamin'Azy ny momba an'reo Galiliana ze ny ràn-jareo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manokana. \v 2 Namaly Jesosy ary nitare tamin-jareo hoe: "Anareo ma mieritreritra fa reo Galiliana reo de mpagnota mihôtra noho reo Galiliana hafa daôly satria nijaly salan'zany? \v 3 Tsia, Za mikoragna an'nareo. Fa raha tsy mibebaka anareo, anareo daôly de ho foaty salan'zany.

1
13/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Na regny ôla valo ambefolo takao Siloama ze nenjeran'ny tilikambo ka nafaty an-jareo, meritreritra ma anareo fa tegna mpagnota ratsy mihôtra noho reo leila hafa tao Jerosalema regny? \v 5 Tsia, ozy Za. Fa anareo raha tsy mibebaka, anareo daôly iany kô de ho foaty."

1
13/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Jesosy nagnano an'zao fagnoharana zao hoe: "Nisy ôla nanagna kakazon'aviavy raika nambolena takeo amin'ny tanim-bôlobony ary tonga izy ary nijery vônkazo takeo amin'azy nefa tsy natazagna na ino na ino. \v 7 Le leila de nitare tamin'ny mpagnano zaridaina hoe: 'Indro, tonga taketo za nandritra ny telo taona ary niezaka nikaraka voa tam'ty kakazo aviavy ty kanefa tsy natazagna mitsy.Kapao io. Magnino io no avela magnimba ny tany?'

1
13/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Namaly le mpagnano zaridaina ka nitare hoe: 'Avelao ho akeo io alô am'ty taona ty mandra-pangadiko magnodidina an'azy sy hagnaseko zezika akeo amin'azy. \v 9 Raha mamô izy amin'ny taona magnaraka, de tsara; fa raha tsy zany, de kapao izy!'"

1
13/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Ary Jesosy nampianatra takao amin'ny raika tamin'ny Synagoga nandritry ny Sabata.\v 11 Indro nisy vevavt raika ze nanagna ny fanahy ratsin'ny falemena nandritry ny valo ambefolo taona takeo, ary izy de nivokoka ary tsy navita nitsangana tsara.

1
13/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Nony natazagna an'azy Jesosy, de nagnantso an'azy ka nitare hoe: "Ry vevavy, afaka amin'ny falemenao anao." \v 13 Napetrany takeo amin'azy ny tagnany, ary niaraka tam'zay de nitraka le vevavy ary nihoby an'Andriamanitra. \v 14 Saingy ny mpanapaky ny Synagoga de sosy noho ny fagnasitranana nataon'i Jesosy tamin'ny Sabata. Noho zany de namaly le mpanapaka ary nitare tamin'ny vahôka hoe: "Misy enin'andro ze tokony iasana. Tongava ka sitràna, fa kosa tsy amin'ny andro Sabata."

1
13/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Ny Tompo namaly an'azy ka nitare hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Tsy samy mamà ny boriky na ny ombiny akao amin'ny valany ma anareo ka mitondra an'zany hisotro ranoamin'ny Sabata? \v 16 Ary ôtran'zany kô ty zanakavavin'i Abrahama, ze vôfatotr'i Satana nandritry ny valo ambefolo taona ty, tsy tokony mbô ho vahàna ma ny fatorany amin'ny andro Sabata?"

1
13/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Ary raha nilaza an'zany ra daôly zany Izy, de megnatra reo daôly ze nagnohitra an'Azy, fa ny vahôka raika manontolo de faly noho reo ra daôly malaza nataony.

1
13/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ary Jesosy nitare hoe: "Ôtran'ny akôry ny fanjakan'Andriamanitra, ary ôtran'ny ino no afaka agnoharako an'zany?" \v 19 Zany de ôtran'ny vôtsinampy ze nalaina sy nafafin'ny leila raika takeo an-jaridainany, ka lasa kakazo gedabe zany, ary ny voron'ny lagnitra de nagnambôtra ny tragnony takeo am'reo rantsagny."

1
13/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Mbôla nitare fôgna Izy hoe: "Ino no afaka hampitoviziko ny fanjakan'Andriamanitra?\v 21 Zany de ôtran'ny masirasira ze nalain'ny vevavy raika ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famarana mandra-piparitany akao agnatin'ny koba daôly."

1
13/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Jesosy de nande nitety ny tanàna sy ny vohitra tsiraikaraika taigny an-dàlana mankaigny Jerosalema ary nampianatra an-jareo. \v 23 Nisy anakiray nitare tamin'azy hoe: "Tompo, vitsy ma ny ôla ho vonjena?" Ary ozy tamin-jareo hoe: \v 24 "Mediva ny hiditra ny varavaragna tery anareo, satria, Za mitare aminareo, betsaka no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra.

1
13/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Rafa igny le mitsangana le tompo-tragno ary magnidy varavaragna, de mitsangana akao avelany akeo anareo ka handondona ny varavaragna ary hitare hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro zahay.' Izy hamaly ka hitare aminareo hoe: 'Tsy fantatro anareo na ny fiavenareo.' \v 26 Ary hitare anareo hoe: 'Nihinana sy nisotro takeo agnolônao zahay, ary Anao efa nampianatra taigny an-dalambenay.' \v 27 Fa Izy de hamalyy hoe: 'Milaza aminareo Za, tsy fantatro ze fiavenareo. Mialà aketo aminà, anareo mpagnano ratsy!"

1
13/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Hisy fitomanena sy fikotroha-nify rafa indro anareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminagny daôly akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy vôrôka aigny avelany anareo. \v 29 Zareo de ho avy aigny antsinagnana, andrefana, avaratra, ary atsimo ka hipetraka akeo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra. \v 30 Fantatro zao, reo ze tsy de managn-danja no ho vôlôny, ary reo ze tegna managn-danja no ho faragny."

1
13/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Tafarakelin'zany, nisy Fariseo sasagny tonga ary nilaza tamin'Azy hoe: "Mandiana ilaozy ny aketo satria Heroda de te-hamono An'nao." \v 32 Jesosy nitare hoe: "Mandiana ary lazao an'zany ambôhaolo zany hoe: 'Indro, za mandrôka demonia sy magnano fagnasitranana gniany sy amaraigna, ary amin'ny andro fatelo de ho tratrako ny tanjoko.' \v 33 Na ino na ino mitranga, zava-dehibe Aminà ny manohy gniany, amaraigna, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminagny lavitra an'i Jeroalema.

1
13/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 "Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ze mamono ny mpaminagny sy mitora-bato reo ze nirahina taigny aminareo. Impiry ma Za no nagniry ny hanangona ny zanakareo salan'ny akoho vavy manangona ny zagnany ambany embagny, kanefa tsy nagniry an'zany anareo. \v 35 Indro, nilôzana ny tragnonareo. Za de mitare aminareo, tsy ho tazagnareo Za ambara-pitinenanareo hoe: "Sambatra ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo.'"