auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-04 15:13:12 +03:00 committed by root
parent 37c5490ec9
commit 069e0c6bd3
11 changed files with 11 additions and 0 deletions

1
26/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 \v 2 \v 3 Noho zany Agripa nitare tamin'i Paoly hoe: "Afaka mitare ho an'ny tegnanao anao." De naninjitra ny tagnany Paoly ary nagnano ny ferovan-tegnany. "Maneho ny tegnako ôtran'ny faly za, ry Agripa mpanjaka, mbô hitondra ny ra mahazo anà aketo agnolônao gniany magnohitra an'reo fempangan'reo Jiosy daôly; ndrindra, satria anao efa za-draharaha amin'ny fomba amam-panao sy fagnontanen'ny Jiosy daôly. Noho zany de mangataka an'nao za handregny anà am-paretana.

1
26/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 \v 5 Marina fa, reo Jiosy daôly de mafantatra ny fomba fiaignako hatramin'ny fatanorako taigny amin'ny fireneko magnokana sy takao Jerosalema. Zareo de nafantatra anà hatraigny am-bôlôny ary tokony haneky zareo fa Fariseo fiaigna za, ny sarotiny ndrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsikana.

1
26/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 \v 7 \v 8 Ary mitsangana aketo za mbô ho tsaraina satria mikaraka ny fampanantenana ze nataon'Andriamanitra tam'reo razantsika za. Fa ty no fampagnantenana nantenain'ny fokontsika rombefolo ho raisina raha nagnompo an'Andriamanitra magnalin'andro tokoa zareo. Ho an'zany fagnantenana zany, ry Agripa mpanjaka, no hiampangan'reo Jiosy anà. Magnino anareo no mieritreritra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?

1
26/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 \v 10 \v 11 Nisy fotôna za nihevitra tamin'ny tegnako fa tokony hagnano ra betsaka magnohitra ny agnaran'i Jesosy avy aigny Nazareta za. Nagnano an'zany taigny Jerosalema za. Nagnagadra betsaka tam'reo mpino taigny am-ponja tamin'ny faefana noraisiko avy tam'reo lôhan'ny mpisorona za, ary rafa vôvono zareo, de nandatsaka ny vatoko hagnohitra an-jareo za. Nosaziko imbetsaka zareo taigny am'reo synagoga daôly ary niezaka ny hanery an-jareo mbô hiteny ratsy za. Sosy mafy tamin-jareo za ary nanenjika an-jareo na de taigny am'reo tanàna aigny avelagny aza.

1
26/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 \v 13 \v 14 Raha mbôla nagnano an'zany za, de nande taigny Damaskosy niaraka tamin'ny faefana sy reo didy avy am'reo lôhan'ny mpisorona; ary taigny an-dalana nankaigny, tamin'ny anjerignandro igny, ry Mpanjaka, de natazagna hazavagna avy aigny an-dagnitra za ze mamiratra noho ny masoandro ary zany de namiratra nagnodidigna anà sy reo leila ze niara-de taminà. Rafa lavo tamin'ny tany zahay daôly, de naregny feo niresaka taminà za ze nitare tamin'ny teny Hebreo hoe: 'Saoly, Saoly, magnino anao no magnenjika Anà? sarotra ho an'nao ny handaka fanindrognana.'

1
26/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 \v 16 \v 17 \v 18 Avekeo nitare za hoe: 'Iza anao, Tompo ma?' Ny Tompo namaly hoe: 'Za no Jesosy ze kinjenao. Am'zao fotôna zao merema ary mitsangana amin'ny tongotrao; satria noho zao antony zao no nibôgnako taminao, mbô hanendry an'nao ho mpanompo sy ho vavolombelona makasika reo ra ze fantatrao momba Anà am'zao ary reo ra ze abôgnako an'nao akao afara kely; ary hagnavotra an'nao akao amin'ny vahôka sy reo Jentilisa ze hagnirako an'nao Za, mbô hagnokatra ny mason-jareo ary hampitodika an'jareo hiala amin'ny haizina hankaigny amin'ny fazavana ary amin'ny herin'ny Satana hankaigny amin'Andriamanitra, mbô hafan-jareo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova ze ameko an-jareo ze namasinina tamin'ny finoana Anà.'

1
26/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 \v 20 \v 21 Noho zany, ry Agripa mpanjaka, nankatoa ny fahitana avy taigny an-dagnitra za; fa, ny an'reo ze taigny Damaskosy alô, ary avekeo taigny Jerosalema, ary naneragna ny tanin'ny Jodia daôly, ary kô tam'reo Jentilisa, nagnome an-jareo ny hafatra za fa tokony hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra zareo, hagnano ny asa mendrika ny fibebahana. Noho zany antony zany no nisamborn'reo Jiosy anà takao an-tempoly sy niezaka hamono anà.

1
26/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 \v 23 Nagnampy anà hatram'zao Andriamanitra, noho zany de mitsangana za ary mijoro vavolombelona amin'ny ôlon-tsotra sy am-reo manan-kaja tsy hilaza na ino na ino mihôtra ze nolazain'reo mpaminagny sy Mosesy fa hitranga; fa tsy maintsy hijaly Kristy, ary izy no ho vôlôny hitsangana am'reo maty mbô hitsangana sy hitory fazavana ho an'reo vahôka Jiosy sy reo Jentilisa."

1
26/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 \v 25 \v 26 Raha vitan'i Paoly ny ferovan-tegnany, de nitare tamin'ny feo mafy Festosy hoe: "Paoly, very saigna anao; ny fianaranao be lôtra no natonga an'nao ho very saigna." Fa ozy Paoly hoe: "Tsy very saigna za, ry Festosy tsara ndrindra; fa amin'ny fasahiana za no mikoragna teny fahamarinana sy fahamatorana. Fa ny mpanjaka mafantatra momba an'zany ra zany; ary noho zany, mikoragna an-kalalahana amin'azy za, fa resy latra fa tsisy tam'zany nasitrika tamin'azy; satria tsy natao taigny amin'ny takona zany.

1
26/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 \v 28 \v 29 Mino ny mpaminagny ma anao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino anao." Agripa nitare tamin'i Paoly hoe: "Akao agnatin'ny fotôna foika ma no handresenao latra anà sy hagnanôvanao anà ho kristiana?" Ozy Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra za, mbô na ho akao agnatin'ny fotôna foika na fotôna lava, tsy anao fôgnany, fa reo daôly ze maregny anà gniany kô, de hitovy aminà, fa tsy miaraka am'reny rojo reny."

1
26/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 \v 31 \v 32 Avekeo nitsangana ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika iany kô, ary reo ze nipetraka niaraka tamin-jareo; rafa nandao ny tragno fivoriana zareo, de nifampiresaka ary nitare hoe: "Ty leila ty tsy magnano ra mendrika ny fafatesana na famatorana." Ozy Agripa tamin'i Festosy hoe: "Ty leila ty de afaka nalefa raha tsy nantsovina taigny amin'i Kaisara izy."