auto save

This commit is contained in:
MAD012 2020-06-02 20:47:41 +03:00 committed by root
parent 1983ff4719
commit 53519c8333
25 changed files with 25 additions and 0 deletions

1
15/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 \v 4 Fa nameko ho zava-dehibe vôlôny ho an'nareo ze vôraiko iany kô: fa maty ho an'ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina, ary nalevina Izy, ary Izy de natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.

1
15/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 \v 6 \v 7 Kristy de nibôgna tamin'i Kefasy, ary avy akeo tam'reo rombefolo; avy akeo de nibôgna ndraika tam'reo rahala miôtra ny dimanjato Izy. Mbola velona ny ankamarôn-jareo, fa ny sasagny efa maty. Avy akeo Izy nibôgna tamin'i Jakoba, avy akeo tam'reo apostoly daôly.

1
15/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 \v 9 Farany ndrindra, de nibôgna tamina Izy, salan'ny hoe tamin'ny zaza teraka tsy tonga volana. Fa za no kely ndrindra am'reo apostoly. Za de tsy mendrika antsovina hoe Apostoly satria nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra za.

1
15/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 \v 11 Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha ôtran'zao anà, ary tsy fôgna ny fahasoavany akato amina. Fa kosa, miasa mafy kokoa noho izy daôly za. Nefa tsy za zany, fa ny fahasoavan'Andriamanitra ze miaraka amina. Noho zany na za zany na zareo, araka ny nitorianay de araka zany noninoanareo.

1
15/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 \v 13 \v 14 Am'zao fotôna zao raha lazaina fa i Kristy de natsangana tamin'ny maty, manakôry no mety ahafan'ny sasany aminareo milaza fa tsisy ny fitsanganana amin'ny maty? Nefa raha tsisy ny fitsanganana amin'ny maty, de tsy natsangana mitsy Kristy; ary raha tsy natsangana Kristy, de fôgna ny fitorianay, ary fôgna iany kô ny finoanareo.

1
15/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 \v 16 \v 17 ka, de hita ho vavolombelona diso momban'Andriamanitra zahay satria nitsangana vavolombelona nanohitra an'Andriamanitra, nitare hoe natsangany i Kristy rafa tsy nagnano zany Izy. Raha tsy natsangana ny maty, de na Kristy aza tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, de fôgna ny finoanareo ary de mbôla akao amin'ny fahotanareo anareo.

1
15/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 \v 19 Ary ze daôly maty akao amin'i Kristy de efa very iany kô. Raha am'ty fiaignana ity fôgna no azaôtsika antoka fa ny ho avy akao amin'i Kristy, de tsika no mampalaelo ndrindra amin'ny ôla daôly.

1
15/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 \v 21 Fa am'zao fotôna zao de efa natsangana tamin'ny maty Kristy, le voaloham-bokatr'reo ze maty. Fa satria tonga tamin'ny alalan'ny ôla ny fafatesana, avy tamin'ny alalan'ny ôla iany kô no niavian'ny fitsanganan'ny maty.

1
15/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 \v 23 Fa salan'ny nafatesan'ny daôly takao amin'i Adama, de ho vilomina akao amin'i Kristy iany kô ny daôly. Kanefa samy akao amin'ny filaharany manokana ny tsiraikaraika: Kristy, le vôlôm-bokatra, ary avy akeo reo ze an'i Kristy de hatao velona amin'ny fevíny.

1
15/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 \v 25 \v 26 Avy akeo de ho tonga ny farany, rafa amen'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana. Zany de raga hanafôna ny fitsipika daôly sy ny fahefana daôly ary ny hery Izy. Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany ny favalony daôly akao ambanin'ny tongony. Ny favalo farany ho haringana de ny fafatesana.

1
15/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 \v 28 Fa "Napetrany takeo ambanin'ny tongony avokoa ny ra daôy." Fa vôlaza fa: "Izy no nametraka ny ra daôly," de mazava tsara fa tsy tafiditra akao agnatin'zany le raika nametraka ny ra daôly hagneky ny tegnany. Rafa nagneky an'Azy ny ra daôly, de ny Zanaka miitsy no haneky le raika ze nampaneky ny ra daôly ho an'Azy. Hibôgna zany mbô ho daôly akao amin'ny daôly ny Andriamanitra Ray.

1
15/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 \v 30 Na kô ino ma no ilana reo ze vita batisa ho an'ny maty? Raha tsy natsangana miitsy ny maty, magnakôry ma zareo no natao batisa ho an-jareo? Magnakôry ma, tsika no am-bava loza isan'ora?

1
15/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 \v 32 Miatrika fafatesagna isan'andro za! Zany de azo antoka salan'ny fireareako ny aminareo, ze azoko akao amin'i Kristy Jesosy Tompotsika. Ino ma no tombony azoko, avy amin'ny fomba fijerin'ôlombelona, raha niady tamin'ny biby takao Efesosy za, raha tsy natsangana ny maty? "Ôka tsikana hinana sy hisotro satria ho faty tsikana rapitso."

1
15/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 \v 34 Aza mety ho fitahana hoe: "Manimba ny fisaignana tsara ny naman-dratsy." Mandiniha! Miaignà am-pamarinana! Aza manohy magnota! Fa y sasagny aminareo de tsy managna falalana an'Andriamanitra. Milaza zany ho amin'ny famenaranareo za.

1
15/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 \v 36 Fa ny ôla raika hitare hoe: "Nanakôry ma no nananganagna ny maty, ary amin'ny karazagna vatagna ino no hatongavan-jareo?" Tsy malala na ino na ino anareo! Ze hafafinareo de tsy hanomboka hitombo raha tsy maty zany.

1
15/37.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 37 \v 38 \v 39 Ze nafafinareo de tsy vatagna ze ho avy, fa voa fotsiny. Zany de mety ho lasana vary na ra hafa. Fa amen'Andriamanitra ny vatagna araka ze safidiany, ary samy amin'ny vatagny avy ny voa tsiraikaraika. Tsy ny nofo daôly no mitovy. Fa kosa, raika ny nofon'ôlombelona, de hafa ny nofon'reo biby, ary noho hafa ny an'reo vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.

1
15/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 \v 41 Misy iany kô reo vatagna aigny an-dagnitra sy reo vatagna akeo an-tany. Fa karazana raika iany ny voninahitry ny vatagna aigny an-dagnitra ary hafa ny voninahitry ny aketo an-tany. Raika ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'reo kintana. Fa ny kintana raika miavaka amin'ny kintana raika hafa amin'ny voniahitra.

1
15/42.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 42 \v 43 \v 44 Salan'zany kô ny fitsanganana amin'ny maty. Ze afafy de mety simba, ary ze atsangana de tsy mety simba. Afafy tamin'ny fafam-baraka zany; de natsangana am-boninatra. Afafy tamin'ny falemena zany; de natsangana amin'ny hery. Afafy amin'ny vatagna vôjanahary zany; de atsangana ho vatagna ara-panahy. Raha misy vatagna vôjanahary, de misy vatagna ara-panahy iany kô.

1
15/45.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 45 \v 46 Ary efa vôsoratra iany kô fa: "Lasana fanahy velona Adama le leila vôlôny" Le Adama farany de lasana fanahy magnome fiaignana. Fa tsy ny ara-panahy no tonga vôlôny fa ny vôjanahary, ary avy akeo ny ara-panahy.

1
15/47.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 47 \v 48 \v 49 Ny ôla vôlôny de avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka. Ny ôla farôy de avy aigny an-dagnitra. Salan'le raika namboarina tamin'ny vovoka, salan'zany kô le ôla aigny an-dagnitra, ary salan'zany iany kô reo ze avy aigny an-dagnitra. Salan'ny nitondratsika ny endriky le ôlon'ny vovoka, de hitondra ny endrik'le ôlon'ny lagnitra iany kô tsikana.

1
15/50.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 50 \v 51 Ary zao no taraviko, ry rahala, fa ny nofo aman-drà de tsy afaka handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ze mety simba handova ze tsy mety simba. Indro! Zava-miafina no ho lazaiko an'nareo hoe: Tsy ho foaty avokoa tsika daôly, fa hovana avokoa tsika daôly.

1
15/52.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 52 \v 53 Hiova tsikana amin'ny fotôna raika, akao agnatin'ny ndray mipi-maso, amin'ny tropetra farany. Hagneno ny tropetra, ary reo maty de hatsangana ho tsy mety lo, ary de hovana tsikana. Fa ty vatagna mety simba ty de tsy maintsy hitafy ze tsy mety lo, ary ty vatagna mety maty ty de tsy maintsy hitafy ny tsy fafatesana.

1
15/54.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 54 \v 55 Fa rafa mitafy ny tsy mety simba ty vatagna mety simba ty, ary rafa mitafy ny tsy fafatesana ty vatagna mety maty ty, de ho tonga am'le teny ze vôsoratra hoe: "Vôtelina tamin'ny fandresena ny fafatesana." "Ry fafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fafatesana, aiza ny fanindronanao?"

1
15/56.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 56 \v 57 Ny ota no fanindron'ny fafatesana, ary ny herin'ny ota de ny lalàna. Fa isaorana Andriamanitra, ze magnome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompotsika!

1
15/58.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 58 Noho zany, ry rahala malalako, miorena tsara ary aza miozingozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asanareo akao amin'ny Tompo.