Sat Mar 07 2020 17:33:15 GMT+0300 (E. Africa Standard Time)

This commit is contained in:
tsDesktop 2020-03-07 17:33:15 +03:00
commit 62d9752906
104 changed files with 214 additions and 2 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Taloha be tagny Andriamanitry da nikoragny tamin'e razambentsika tamign'alalan'e mpaminany tamin'e fotoagny maro da tamin'e fomba maro.\v 2 Fa amin'izao andro farany izao, da nikoragny tamin'alalan'e Zanaky là Izy, izay notendregny ho mpandova gne Raha agnaby. Tamign'alalany avakoa gne naharian'Andriamanitry izao tontolo izao.\v 3 Izy gne famirapiratan'e voninahitr'Andriamanitry, e endriky gne tegnany indrindra. Na gne Raha agnaby aza da tanany hiaraky amign'alalan'e herin'e teniny. Tafaran'e hagnadiovagny gne fahotagny, da nidoboky tambanin'e tagnan'ankavanan'e Lehibe agny amin'e avo Izy.

1
01/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Lasa ambony akô gne anjely agnaby Izy, satria gne agnara nolovainy da tsara lavitry noho gne agnarandreo. \v 5 Fa ia tamindreo anjely gne mba nizakan'Andriamanitry hoe: "Zanako anao, lasa iabanao Iao androany" da hoe: "Ho ray ho anazy Iao, da ho Zanaky ho Ana?"

1
01/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Sady, rehefa ninday gne lahimatoa teto amin'izao tontolo izao Andriamanitry, da nizaka Izy hoe: "Gne anjelin'Andriamanitry agnaby da tsy maintsy midera Anazy."\v 7 Momba gne anjely da nizaka Izy hoe: "Izy e iray nagnano gne anjely ho Fagnahy, sady gne mpanompony nataony lelan'afo."

1
01/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa momban'e Zanaky da ho Izy se: "Gne seza fiandriananao, ry Andriamanitry, da mandrakizay sady ho doria. Gne tehin'e fanjakanao da tehin'e fitsaragny. \v 9 Nitia gne fahamarignagny anao sady nalaigny gne fandikan-dalàgny. Noho izany Andriamanitry, Andriamanitrao, da nagnosotry anao tamin'e menaky gne hafaliagny mihoatry noho gne mpiara-dia aminao."

1
01/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 "Tagny am-piandohagny, ry Tompo, Anao gne namorogny gne fototry ne tany. Gne lagnitry da asan'e tagnanao. \v 11 Ho levogny indreo, fa Anao hanohy. Ho rivatry akô gne tapa-damba indreo. \v 12 Hamoritry andreo akô gne fitafiagny anao, sady hovaigny akô gne poti-damba indreo. Fa Anao da akô izany, sady gne taogninao da tsy hanam-pahataperagny."

1
01/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa ia tamin'e anjely gne nizakanan'Andriamanitry tamin'e fotoagny agnaby hoe: "Midoboha eo amin'e tagna ankavanako mandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho seza ho an'e tombokao?" \v 14 Gne anjely agnaby me tsy Fagnahy manompo, sady nalefa hiahy indreo izay handova gne famonjegny?

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Noho izany itsika da tsy maintsy mitandrigny bebe kokoa amin'izany regnintsika, mba tsy hagnara-drenirano amin'izany itsika.

1
02/02.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 2 Fa raha marigny gne hafatry izay nozakaniny tamign'alalan'e anjely, sady gne fandikan-dalàgne rehetra izy ame tsy fankatoavagny da mandray sazy ara-drariny, \v 3 da akognaia sa gne hafahantsika milefa raha tsy miraharaha an'izany famonjegny zakabe loatry izany itsika? Io gne famonjegny izay nambaran'e Tompo voalohany sady namafisindreo izay nandre izany tamintsika. \v 4 Tamin'io fotoagny io avakoa Andriamanitry da nagnaporofo izany tamin'e famantaragny, fahagagagny, da asa mahery samihafa, da tamin'e fizaragny ireo fagnomezam-pahasoavan'e Fagnahy Masigny araky gne sitrapony.

1
02/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Fa tsy tamin'e anjely gne nampagneken'Andriamnaitry izao tontolo izao ho avy, momba izay resahantsika. \v 6 F'izy, nisy olo nijoro vavolombelogny an'izany tagny ho agny, magnano hoe: "Ino gne olo, no misaigny anazy anao? Na gne Zanak'Olo, no mikarakara anazy anao?

1
02/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Anao da nagnano gne olo ambany kidy noho ireo anjely; nosatrohinao satro-boninahitry tamin'e voninahitry sy dera izy. [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da miampy hoe: "Sady anao nametraky anazy ambonin'ireo asan'e tagnanao."] \v 8 Gne Raha agnaby da nampagnekenao eo ambanin'e tombony." Fa ho anazy gne nampagneken'Andriamanitry gne Raha agnaby. Tsy namela ndre ino ndre ino izy ka tsy nampagnekeny anazy. Fa amin'izao itsika da tsy mbola mahita gne Raha nampagnekegny anazy agnaby.

1
02/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Fa itsika mahita e raiky izay naniny ambany noho ireo anjely nandritry gne fotoagny fohy: Jesosy, izay, nohon'e fijaliagny izy ame fahafatesagny, da nosatrohigny satro-boninahitry tamin'e voninahitry sy dera. Ka amin'izao tamign'alalan'e fahasoavan'Andriamanitry, gne nagnandramany gne fahafatesagny ho an'e olo agnaby.\v 10 Fa mety amin'Andriamanitry izany, satria gne Raha agnaby da misy ho Anazy sady amin'e alalany, mba hitondra zanaky maro ho agny amin'e voninahitry. Mety aminazy gne hahavy gne mpitariky gne famonjegny andreo ho feno amign'alalan'e fijaliagny.

1
02/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Fa ndre gne olo izay magnamasigny na indreo izay voamasigny da managny loharano raiky. Noho izany da tsy megnatry magnantso andreo hoe rahalà Izy. \v 12 Hoy Izy hoe: "Hagnambara gne agnaranao amin'ireo rahalàko Iao, hihira gne momba anao avy ao agnatin'e fivondronagny Iao.

1
02/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Sady koa, "Hatoky anazy iao." Sady koa: "Indro, etoa iao izy ame zanaky izay nomen'Andriamanitry ana." \v 14 Noho izany, satria nofo aman-drà ireo zanak'Andriamanitry, da nizara Raha akô izany niaraky tamindreo avakoa Jesosy, mba ho amign'alalan'e fahafatesagny gne hagnafoagnany gne raiky izay managny gne herin'e fahafatesagny, da gne devoly izany.\v 15 Izany da mba hagnafahagny ireo rehetra izay nohon'e tahotry gne fahafatesagny da niaigny gne fiaignan'izy agnaby indreo tao amin'e fagnandevozagny.

1
02/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Fa mazava ho azy fa tsy ireo anjely gne vonjeny, F'izy, gne taranak'i Abrahama.\v 17 Noho izany da mendriky Anazy gne anigny akô gne rahalàny amin'e fomba agnaby, mba ho mpisoronabe feno famindram-po da fahatokisagny Izy amin'e fifandraisagny amin'ireo rahan'Andriamanitry, sady mba hitondra momban'e famelagny ireo fahotan'e olo.\v 18 Satria Jesosy mihintsy gne nijaly sady nalaigny Fagnahy, da afaky magnampy ireo izay alaim-pagnahy Izy.

1
02/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 2

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Noho izany, Ô rahalà Masigny, nizara gne antson'e lagnitry anareo. Eritrereto gne momban'i Jesosy, gne Apostoly izy ame mpisoronabe izay ekentsika. \v 2 Izy da nahatoky an'Andriamanitry, izay nanendry anazy, akô i Mosesy izay nahatoky tan-dragnon'Andriamanitry avakoa. \v 3 Fa Jesosy da efa noraisigny mendriky gne voninahitry zakabe noho Mosesy, satria izay magnorigny gne tragno no manan-kaja bebe kokoa noho e tragno. \v 4 Fa gne tragno agnaby da nisy olo nagnorigny, fa gne raiky izay nagnorigny gne Raha agnaby da Andriamanitry

1
03/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Amin'e lafiny raiky, Mosesy da natokisagny akô mpanompo tan-dragnon'Andriamanitry raiky manontolo. Izy gne vavolombelogny momba gne Raha izay tokony efa nozakaigny amin'e ho avy. \v 6 Fa Kristy no Zanaky miandraikitry gne tragnon'Andriamanitry. Itsika gne tragnony raha toa ka mitazogny mafy gne herim-po izy ame fahatokiantsika itsika.

1
03/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Noho izany, izany da akô gne zakain'e Fagnahy Masigny hoe: "Anio, raha mandre gne feony anareo \v 8 da ka magnamafy gne fonareo akô gne amin'e fikomiagny, amin'e fotoan'e fitsapagny agny agn'efitry.

1
03/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Akô izany gne razambenareo rehefa nikomy tamign'alalan'e fitsapagny Ana, sady rehefa, nandritry gne efapolo taogny, da hitandreo gne asako.\v 10 Noho izany da tsy faly Iao amin'io taranaky io. \v 11 Hoy Iao se: "Indreo da voatariky mandrakariva agny amin'e lalan-diso ao am-pony. Tsy nahalala gne lalako indreo. Akô izany gne niagniagnako tamin'e fahatezerako hoe: 'Tsy hiditry ao amin'e fitsaharako velively indreo."'

1
03/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Mitandrema, ô rahalà, mba tsy hisy na raiky amindreo aza gne hanagny to ratsin'e tsy finoagny, fo izay miala amin'Andriamanitry velogny. \v 13 F'izy, mifampahereza isan'andro, raha mbola misy gne antsoigny hoe: "Anio", mba tsy hisy aminareo ho mafy fo amign'alalan'e fitaky gne fahotagny.

1
03/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Fa itsika da avy mpiara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mitazogny mafy gne fahatokisantsika Anazy hatragny am-piandohagny ka hatramin'e fiafaragny. \v 15 Fa gne momba an'izany da efa voazaka hoe: "Anio, raha mandre gne feony anareo, da ka magnamafy gne fonareo, akô gne amin'e fikomiagny."

1
03/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Ia izy izay efa nandre an'Andriamanitry ka nikomy? Fa tsy indreo rehetra izay nijotso avy tagny Egypta tamign'alalan'i Mosesy me izany?\v 17 Ia gne nahavignitry anazy nandritry gne efapolo taogny? Tsy indreo izay nanota me, izay lavo tagny agn'efitry gne fatindreo? \v 18 Ho an'ia gne niagniagnagny fa tsy hiditry ao amin'e fitsaharagny indreo, raha tsy ho andreo izay tsy nankato Anazy? \v 19 Hitantsika fa tsy afaky niditry tao amin'e fitsaharagny indreo nohon'e tsy finoagny.

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Noho izany, aoky hitandrigny tsara itsika mba tsy hisy aminareo gne tsy afaky nahatratry gne teny fampagnantenagny navela ho anareo mba hidiranareo ao amin'e fitsaharan'Andriamanitry.\v 2 Fa itsika da nagnambaragny gne vaovao mahafaly akô andreo. Fa izany hafatry zany da tsy nisy tombony ho andreo izay tsy nitambatry tao amin'e finoagny niaraky tamindreo izay nankato. ('Fagnamarihagny: gne dikan-teny sasany da mivaky akô izao: "Fa izany hafatry zany da tsy nisy tombony ho andreo izay nandre anazy tamin'e tsy finoagny.")

1
04/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Fa itsika izay nino da indreo izay hiditry amin'izany fitsaharagny zany, araky izay efa nozakainy hoe: "Akô gny niagniagnako tamin'e fahavignirako, da tsy hiditry velively ao amin'e fitsaharako indreo." Fa ndre izany koa aza, gne asa famorognagny da vita tamin'e fagnoregnagny izao tontolo izao. \v 4 Fa izy nizaka tagny ho agny momban'e andro faha-fito hoe: "Andriamanitry nijanogny tamin'e andro faha-fito tamin'e asany rehetra." \v 5 Sady mbola nizaka indraiky Izy hoe: "Indreo da tsy hiditry velively ao amin'e fitsaharako."

1
04/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Noho izany, satria mbola voatokagny ho an'e sasany gne fidiragny ao amin'e fitsaharagny, ary satria maro indreo Israelita nandre gne vaovao mahafaly tsy niditry tao nohon'e tsy fankatoavagny, \v 7 da nametraky andro raiky indraiky nantsoigny hoe: "Androany" Andriamanitry. Tafaran'e andro maro, da nikoragny tamign'alalan'i Davida Izy, akô izay voazaka mialoha hoe: "Anio raha mandre gne feony anareo, da ka magnamafy gne fonareo."

1
04/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa raha Josoa gne nagnome fitsaharagny andreo, da tsy nikoragny momban'e andro raiky hafa Andriamanitry.\v 9 Noho izany da mbola misy Sabata fitsaharagny voatokagny ho an'e vahoakan'Andriamanitry.\v 10 Fa izay miditry ao amin'e fitsaharan'Andriamanitry da nitsahatry tamin'e asany avakoa, akô gne nanin'Andriamanitry tamin'e Anazy. \v 11 Noho izany aoky itsika hazoto hiditry amin'izany fitsaharagny zany, mba tsy hisy ndre raiky aza ho tafalatsaky amin'e karazagny tsy fankatoavagny izay nanindreo.

1
04/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Fa gne tenin'Andriamanitry da velogny sy mandaitry sady marangitry noho gne sabatry roa lela. Izany da manindrogny hatramin'e fagnasarahagny gne aigny amin'e Fagnahy, izy ame tognogny amin'e tsoka mihintsy aza. Ka afaky fantarigny gne eritreritry gne fo izy ame fikasagny.\v 13 Tsy nisy famorognagny niafigny teo agnatrehan'Andriamanitry. F'izy, gne Raha agnaby da miharihary sady misokatry eo imason'e raiky izay tsy maintsy hampamoahintsika.

1
04/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Noho izany, satria da managny mpisoronabe zakabe izay lasa namaky gne lagnitry, Jesosy Zanak'Andriamanitry, da andeha itsika hifikitry mafy amin'e finoantsika. \v 15 Fa itsika da tsy managny mpisoronabe izay tsy mahatsapa fangorahagny amin'e fahalementsika. F'izy, itsika da managny olo raiky izay efa nalaim-pagnahy tamin'e fomba rehetra akô antsika, saingy Izy tsy misy ota. \v 16 Aoka ary itsika andeha amin'e fahatokiagny ho agny amin'e seza fiandrianan'e fahasoavagny, mba handraisantsika gne famindram-po sady hahita fahasoavagny hagnampy amin'e fotoagny ilàgny an'izany.

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Fa gne mpisoronabe rehetra, voafidy avy tamin'e olo, da notendregny mba hiasa amign'agnaran'e olo amin'e Raha mahakasiky an'Andriamanitry, ka mba hanoloragny fagnomezagny sy fagnatitry ho an'e ota. \v 2 Izy da afaky mifagnaraky mora amin'e tsy mahalala izy ame maniasia satria izy tegnany avakoa da voadidin'e fahalemegny.\v 3 Noho izany, izy avakoa da notakiagny hanolotry sorogny ho an'e otany manokagny, akô gne naniny ho an'e otan'olo.

1
05/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Tsy ho an'e tegnany gne handraisan'e olo izany voninahitry zany. F'izy, izy da nantsovan'Andriamanitry, akô i Arona.\v 5 Da akô izany, Kristy tsy mba nagnome haja gne tegnany mihintsy tamin'e fagnamboarany gne tegnany ho mpisoronabe. F'izy, e raiky izay niresaky taminazy nizaka hoe: "Zanako Anao; anio da Lasa Rainao Iao."

1
05/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Akô izany avakoa gne nozakainy tagny amin'e toeran-kafa hoe: "Anao da mpisorogny mandrakizay araky gne fomban'i Melkizedeka."

1
05/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 andritr'io andron'e nofony io, Kristy nanolotry vavaky sy fangatahagny niaraky tamin'e toreo mafy da ranomaso an'Andriamanitry, e raiky izay afaky mamonjy Anazy amin'e fahafatesagny. Re Izy nohon'e fangorahany. \v 8 Ndre da zanaky aza Izy, da nianatry fankatoavagny tamin'e Raha izay niaretany.

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Nanigny ho tonga lafatry Izy da lasa, ho an'e olo rehetra izay mankato Anazy, e loharanon'e famonjegny mandrakizay.\v 10 Da notendren'Andriamanitry akô gne mpisoronabe Izy araky gne fomban'i Melkizedeka. \v 11 Manan-kambara maro momban'i Jesosy iay, fa sarotry gne magnazava an'izany hatramin'e naha-lalindalovagny gne fandregnesanareo

1
05/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Fa amin'izao fotoagny izao da tokony ho mpampianatry anareo, anareo da mbola mila olo hampianatry anareo gne fitsipiky fototry gne hafatr'Andriamanitry. Ronono gne ilainareo, fa tsy vetin-tsakafo! \v 13 Fa gne olo izay misotro ronono fotsiny da tsy ampy traikefa amin'e hafatry gne fahamarinagny, satria izy da mbola zaza madiniky.\v 14 Fa gne ventin-tsakafo da ho andreo zakabe. Indreo da izay voahofagny tamin'e fagnavahagny gne tsara amin'e ratsy gne fahatakaragny nohon'e fahamatorandreo.

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Noho izany, andeha havelantsika gne fiantombohan'e hafatr'i Kristy da handroso amin'e fahamatoragny. Andeha itsika tsy hametraky indraiky gne fototry e fibebahagny nohon'e asan'e maty izy ame finoagny an'Andriamanitry,\v 2 ndre gne fototry gne fampianaragny momban'e batisa, gne fametrahantagna, gne fitsanganan'e olo maty, sady gne fitsaragny mandrakizay. \v 3 Hagnano an'izany avakoa itsika raha avelan'Andriamanitry.

1
06/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Fa tsy hay anigny ho andreo izay efa nohazavaigny indray mandeha izany, izay nagnandragny gne fagnomezagny lata an-dagnitry, izay nandray gne Fanahy Masina,\v 5 sady izay nagnandragny gne teny tsaran'Andriamanitry izy ame herin'e vanim-potoagny ho avy, \v 6 saingy avy eo da lavo_tsy hay anigny gne mamerigny andreo amin'e fibebahagny indraiky. Izany da satria noboandreo ho an'e tegnandreo indraiky gne Zanak'Andriamanitry, sady nalainy baraka ampahibemaso.

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Fa gne tany izay mitroky gne eriky mateti-piavy amin'izany, sady izay mamokatry gne raha-mitsiry ilaindreo olo izay niasagny gne tany_io gne tany izay mandray fitahiagny avy amin'Andriamanitry.\v 8 Fa raha mamokatry fantsy izany, da tsy misy ilàgny anazy sady efa akaikin'e fagnozognagny. Gne fiafaran'izany da amin'e firehetagny.

1
06/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Fa iay da resy lahatry gne amin'e Raha tsara kokoa momba anareo, ô malala, Raha izay mahakasiky gne famonjegny, ndre da mizaka akô izany aza iay. \v 10 Fa Andriamanitry da tsy mba tsy marigny ka hagnadigno gne asanareo izy ame fitiavagny izay nabôkinareo nohon'e agnarany, satria anareo da nanompo ireo mpino sady mbola manompo andreo avao.

1
06/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Magniry mafy iay mba haneho fahazotoagny akô izany hatramin'e farany gne tsikiraikiraiky aminareo ho an'e antoky gne fahatokiagny feno. \v 12 Izany da mba tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpangala-tahaky andreo izay mandova gne fampagnantenagny amin'e finoagny sy faharetagny.

1
06/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa tamin'Andriamanitry nagnano gne fampagnantenagny tamin'i Abrahama, da niagniagny tamin'e Tegnany Izy, refa tsy afaky niagniagny tamin'e olo zakabe kokoa. \v 14 Hoy Izy hoe: "Iao da hitahy anao tokôtry, sady Tena hahamaro anao." \v 15 Tamin'izany fomba zany, da nahazo izay nampagnantegnaigny tafaran'e nandignasagny tamim-paharetagny Abrahama.

1
06/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Fa gne olo da miagniagny amin'e olo izay zakabe kokoa noho gne tegnandreo. Isakign'e tapitry gne fifamaliandreo, da misy voady raiky natao ho fagnamafisagny.\v 17 Rehefa nanapa-kevitry gne hampiseho mazava kokoa tamindreo mpandovan'e fampagnantenagny gne tsy fiovan'e kalitaon'e tanjogny Adriamanitry, da nomegny antoky tamin'e voady izany.\v 18 Naniny izany mba ho amign'alalan'e Raha tsy azo ovaigny anankiroa _ izay tsy hain'Andriamanitry gne mavandy amin'izany_ da hanagny fampaherezagny matanjaky mba hitazonagny mafy gne fahatokiagny izay nadoboky teo agnoloantsika, itsika, izay nandositry mba hanagny fialofagny.

1
06/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Managny izany toky zany itsika ho aro sy vatofantsiky azo hiankinagny ho an'e fagnahintsika, fahatokiagny izay miditry ao amin'e fitoeragny agnatiny ao ambadiky gne lamba. \v 20 Jesosy niditry tao amin'izany fitoeragny izany akô gne mpialoha lalagny ho antsika, da lasa mpisoronabe mandrakizay magnaraky gne fomban'i Melkizedeka.

1
06/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 6

1
07/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Melkizedeka izany, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitry Avo Indrindra, izay nifagnegny tamin'i Abrahama refa niverigny avy nandresy gne mpanjaka sady nitahy anazy. \v 2 Izy gne nomen'i Abrahama gne ampahatelon'e Raha agnaby. Gne agnarany hoe "Melkizedeka" da midika hoe "mpanjakan'e fahamarinagny." Gne agnarany hafa da "mpanjakan'i Salema", izany da: "mpanjakan'e fiadanagny." \v 3 Izy da tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy managny razambe, sady tsy managny fiantombohan'e andro sady tsy managny fiafaran'e fiainagny. F'izy, mitovy amin'e Zanak'Andriamanitry izy, satria mitoetry ho mpisorogny mandrakizay.

1
07/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Hiteo gne hazakaben'io lelà io. Gne razambentsika Abrahama da nagnome gne ampahafolon'e Raha izay azony tamin'e ady. \v 5 Amin'e lafiny raiky, indreo zanaky làn'i Levy izay mandray gne fisorognagny da managny baiko avy amin'e lalàgny mba hanangogny gne ampahafolon-karegny lata amin'e olo, izany da, avy amin'e rahalàndreo, ndre izany aza indreo, avakoa, da avy amin'e vatan'i Abrahama.\v 6 Fa amin'e lafiny raiky, Melkizedeka, izay tsy voasoritry lata amindreo gne taranakiny, da nandray ampahafolon-karegny lata amin'i Abrahama, sady nagnome tso-drano anazy, e raiky izay nanagny gne fampagnantenagny.

1
07/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Tsy misy fandavagny fa gne olo ambany indrindra da omen'e olo ambony indrindra tso-drano.\v 8 Amin'izany tranga zany, gne olo mety maty da mandray ampahafolon-karegny, fa amin'ity tranga ty da voaporofo fa mbola velogny izy. \v 9 Sady, amin'e fomba firesaky, Levy, izay nandray ampahafolon-karegny, da nandoa ampahafolon-karegny tamign'alalan'e Abrahama avakoa,\v 10 satria Levy da tagnatin'e tegnan'e razambeny refa nihaogny tamin'i Abrahama i Melkizedeka.

1
07/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Amin'izao fotoagny zao raha azo anigny amign'alalan'e fisorognagny levitika gne fahatanterahagny (fa tambanin'izany gne olo gne nandray gne lalàgny), da filàgny bebe kokoa ino gne mety nisy ho an'e mpisorogny hafa mba hitsanganagny araky gne fomban'i Melkizedeka, sady tsy raisigny araky gne fomban'i Arona? \v 12 Fa refa novàgny gne fisorognagny, da tsy maintsy hovàgny avakoa gne lalàgny.

1
07/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Fa e raiky izay nizakagny gne momban'e Raha agnaby da an'e foko hafa, izay tsy misy olo manompo eo amin'e alitara mihintsy. \v 14 Fa mazava amin'izao fotoagny izao, fa avy amin'i Joda gne nahaterahan'e Tompontsika, foko izay tsy nozakain'i Mosesy mihintsy gne mahakasiky ireo mpisorogny.

1
07/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Izay zakaintsika da efa mazava kokoa raha misy mpisorogny hafa mitsangagny amin'e endrik'i Melkizedeka. \v 16 Tsy lata amin'e fototry gne lalàgnan'e taranaky gne nofo gne nahavy anazy ho mpisorogny, f'izy lata amin'e fototry gne herin'e fiainagny tsy mety levogny. \v 17 Fa gne Soratra Masina da mijoro vavolombelogny momba anazy hoe: "Anao da mpisorogny mandrakizay araky gne fomban'i Melkizedeka.

1
07/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Fa nisy fagnafoagnagny gne didy teo aloha satria nalemy sady tsy nisy dikany izany. \v 19 Fa tsy nisy Raha nanin'e lalàgny tonga lafatry. F'izy, misy gne fampidiragny fahatokiagny tsara kokoa ho an'e ho avy izay hagnatognantsika an'Andriamanitry.

1
07/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Tsy nitranga izany raha tsy nisy fandraisagny fiagniagnagny. Amin'e lafiny raiky, gne hafa io agnaby da lasa mpisorogny tsy nila fiagniagnagny. \v 21 Fa amin'e lafiny raiky hafa, ity raiky ty, Jesosy, da lasa mpisorogny tamign'alalan'e fiagniagnagny nanin'e nizaka taminazy hoe: "Gne Tompo da niagniagny sady tsy hiova amin'e hevitriny hoe: "Anao da mpisorogny mandrakizay.'"

1
07/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Tamign'alalan'izany avakoa Jesosy gne nagnome antoky gne fagnekem-pihavanagny tsara kokoa. \v 23 Amin'e lafiny raiky, maro gne avy mpisorogny satria gne fahafatesagny gne manakagny andreo hanohy.\v 24 Amin'e lafiny raiky hafa, satria Jesosy mitoetry mandrakizay, da managny fisorognagny mandrakizay izy.

1
07/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Noho izany izy avakoa da afaky mamonjy tanteraky indreo izay magnantogny an'Andriamanitry amign'alalany, satria izy da miaigny fezay mba hagnelagnelagny ho andreo. \v 26 Fa gne mpisoronabe akô izany da mety ho antsika. Izy da tsy manam-pahotagny, tsy manan-tsigny, madio, nosarahagny tamindreo mpanota, sady lasa ambony noho gne lagnitry.

1
07/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Tsy mila izy, tsy akô e mpisoronabe, hanolotry sorogny isan'andro, gne voalohany ho an'e fahotany manokagny, sady avy eo ho an'e fahotan'e olo. Efa nagnano an'izany indray mandeha ho an'e rehetra izy, refa nanolotry gne tegnany. \v 28 Fa gne lalàgny manondro gne olo izay managny fahalemegny ho mpisoronabe. Fa gne tenin'e fiagniagnagny, izay avy tafaran'e lalàgny, da nanendry Zanaky là, izay nanigny tonga lafatry mandrakizay.

1
07/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 7

1
10/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Fa gne lalàgny da alok'e Raha tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'e Raha io agnaby. Indreo izay magnatogny an'Andriamanitry da tsy afaky gne ho lafatry amign'alalan'e sorogny mitovy amin'izay entindreo mpisorogny isan-taogny. \v 2 Raha izany tsy efa nitsahatry gne nanolotry iregny sorogny regny me indreo? Amin'izany tranga zany, raha efa nodiovigny indraky avao indreo, da tsy mba hahalala gne ota koa indreo mpivavaky. \v 3 Fa amin'io sorogny io agnaby da misy fampatsiahivagny e ota isan-taogny.\v 4 Satria gne ràn'e omby là izy ame osy là da tsy mahavita mangala gne ota.

1
10/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Refa avy teto amin'izao tontolo izao Kristy, da nizaka Izy hoe: "Tsy sorogny na koa fagnatitry gne nirianareo. F'izy, vatagny izay efa nomagninareo ho Ana. \v 6 Gne fagnatitry nodoragny na sorogny ho an'e ota da tsy nifalianao.\v 7 Sady hoy Iao hoe: "Hiteo, inty Iao, araky izay voasoratry momba Ana ao amin'e Soratra Masina mba hagnano gne sitrakareo."

1
10/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Voalohany nizaka Izy hoe: "Tsy sorogny, na koa fagnatitry, na fagnatitry nodoragny, na sorogny ho an'e ota gne nirinareo. Sady Anao tsy nifaly tao amindreo." Indreo da sorogny izay atolotry araky gne lalàgny.\v 9 Sady nizaka Izy hoe: "Hiteo, inty Iao hagnano gne sitrakareo." Izy da nangala gne fampiharagny voalohany mba hametrahagny gne fampiharagny faharoa. \v 10 Tamin'izany sitraky izany, itsika da nohamasignigny tamign'alalan'e fagnatitry gne vatan'i Jesosy Kristy indraiky avao.

1
10/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Amin'e lafiny raiky, gne mpisorogny rehetra da mijoro isan'andro manompo an'Andriamanitry. Izy da manolotry sorogny mitovy fezay, ndre izany aza indreo da tsy afaky mangala e ota mihintsy. \v 12 Amin'e lafiny raiky hafa, Kristy da nanolotry sorogny raiky ho an'e ota mandrakizay, nidoboky teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitry Izy. \v 13 Izy da mandigny mandra-pagnamboaragny gne fahavalony ho fitoeran-tomboky ho an'e tombony.\v 14 Fa tamin'e fagnatitry raiky izy da nahalavorary mandrakizay indreo izay nohamasignigny.

1
10/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Gne Fanahy Masina koa da mijoro vavolombelogny ho antsika. Fa tamin'e voalohany Izy nizaka hoe: \v 16 "Ity gne fagnekegny izay ho aniko miaraky amindreo afaran'io andro io aby, hoy gne Tompo. Hapetraky ao am-pondreo gne lalàko, sady hanoratry an'izany ao an-tsaindreo Iao.

1
10/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Tsy hahatsiaro gne ota izy ame helokindreo sanaky Iao." \v 18 Sady ndre aia misy famelagny zany, da tsy misy sorogny ho an'e ota sanaky.

1
10/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Noho izany, rahalà, itsika da managny fahatokiagny gne hiditry ao amin'e toeragny Masina indrindra tamin'e ràn'i Jesosy. \v 20 Izany gne lalagny vaovao sady velogny izay nosokafagny ho antsika tamign'alalan'e lamba, izany hoe, tamign'alalan'e nofony. \v 21 Satria itsika da managny mpisorogny zakabe mitandrigny gne tragnon'Andriamanitry,\v 22 aoky itsika hagnatogny amin'e fo madio amin'e finoagny feno fahatokiagny, mba hanagnantsika fo voadio amin'e fieritreretagny ratsy sady hanagnantsika vatagny voadio tamin'e rano madio.

1
10/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Aoky itsika hitazogny mafy gne fagnekegny gne fiandrandragny mahatokintsika, tsy am-pihozongozognagny, satria Andriamanitry, izay nampagnantegna, da mahatoky.\v 24 Aoky itsika handiniky gne fomba handrisihagny gne tsikiraikiraiky amin'e fitiavagny izy ame asa tsara.\v 25 Aoky itsika tsy hagnajanogny gne fiarahagny miangogny, akô gne nanin'e sasany. F'izy, mifankahereza fezay fezay, samindraky fa hitanareo fa magnakaiky gne andro.

1
10/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Fa raha toa itsika minia manota refa avy nandray gne fahalalagny gne marigny, da tsy misy fagnatitry ho an'e ota sanaky. \v 27 F'izy, tokagny avao gne fandignasagny mahatahotry gne fitsaragny, sady fahavigniragny mirehitry izay hamotiky gne fahavalon'Andriamanitry.

1
10/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Ndre ia ndre ia nandà gne lalàn'i Mosesy da ho faty tsy misy indrafo amin'e fijoroagny vavolombelondreo roa na telo izay nagnatri-maso.\v 29 Fagnasaziagny ratsy lavitry akognaia gne eritreretinareo fa mendriky andreo izay nagnitsaky gne Zanak'Andriamanitry, izay nagnano gne ràn'e fifagnekegny ho tsy masina_E rà izay nagnamasignagny Anazy_sady nagnaratsiratsy gne Fanahin'e fahasoavagny?

1
10/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Fa itsika mahalala e raiky izay nizaka hoe: "Ana gne valifaty; Iao gne hamaly." Da hoe: "Gne Tompo da hitsara gne olony." \v 31 Raha mampitahotry gne hilatsaky eo an-tanagnin'e Andriamanitry velogny!

1
10/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Fa tadidio gne andro taloha, refa nohazavaigny anareo, gne fomba niharetanareo gne ady mafy tamin'e fijaliagny. \v 33 Anareo da nalaigny baraka ampahibemaso tamin'e fagnaratsiagny da tamin'e fagnenjehagny, sady anareo da niaraky nizara tamindreo izay nandalo fijaliagny akô izany. \v 34 Satria anareo da nanagny fangoraham-po tamindreo izay voafonja, sady anareo da nagneky tamim-pifaliagny gne fangalàgny gne fanagnanareo. Da nahalala anareo fa gne tegnanareo da managny fanagnagny tsara kokoa sady maharitry mandrakizay. [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny taloha da tsy hahitagny gne fehezanteny hoe: "Fa anareo da nanagny fangoraham-po tamin'e gadrako."]

1
10/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Noho izany da ka ariagny gne fahatokisanareo, izay managny valisoa zakabe. \v 36 Fa anareo da mila faharetagny, mba hahazaoanareo izay nampagnantegnain'Andriamanitry, refa nagnano gne sitrapony anareo. \v 37 Fa tsy ho ela sanaky, e raiky izay ho avy da ho avy tokôtry sady tsy ho tara.

1
10/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Gne oloko marigny da hivelogny amin'e finoagny. Raha mihemotry izy, Iao da tsy ho faly aminazy."\v 39 Fa itsika da tsy agnisandreo izay mihemotry ho amin'e faharavagny. F'izy, itsika da agnisandreo izay managny finoagny ho amin'e fitazonagny gne fagnahintsika.

1
10/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 10

1
11/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sady gne finoagny gne antoky amin'e Raha nidiasagny tamim-pahatokiagny. Io gne porofon'e zava-mitranga izay mbola tsy hita. \v 2 Fa noho izany ireo razambe da nankatoavigny nohon'e finoandreo.\v 3 Amin'e finoagny gne hahalalantsika fa gne didin'Andriamanitry gne namorognagny izao tontolo izao, ka izay hita maso da tsy nanigny tamin'e Raha izay hita maso.

1
11/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Tamin'e finoagny gne nanoloran'i Abela fagnatitry tsara kokoa ho an'Andriamanitry noho gne an'i Kina, tamign'alalan'izany gne nagnambarany anazy ho marigny, sady Andriamanitry nizaka anazy tsara noho gne fagnatiny, sady amin'e finoagny gne mbola hizakanan'i Abela, ndre da efa maty aza izy.

1
11/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Tamin'e finoagny gne namindragny an'i Enoka mba tsy ahitany gne fahafatesagny. "Tsy hita izy, satria nalain'Andriamanitry." Fa talohan'e nangalagny anazy, da nijoroagny vavolombelogny fa nankasitrahan'Andriamanitry izy. \v 6 Sady refa tsy misy finoagny da tsy mety ho ankasitrahany. Satria ilaigny hoe izay magnatogny an'Andriamanitry da tsy maintsy mino fa misy Izy da Izy gne mamaly soa andreo izay mitady Anazy.

1
11/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Tamin'e finoagny Noa, gne nomegny gne hafatry lata amin'Andriamanitry momba gne Raha izay tsy mbola hita, niaraky tamin'e fagnajagny an'Andriamanitry gne nagnamboarany gne sambo izay namonjegny gne ankohonany. Fa tamin'e fagnamboaragny an'izany, gne nagnamelohagny izao tontolo izao sady neviany ho mpandova gne fahamarinagny araky gne finoagny.

1
11/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Tamin'e finoagny Abrahama, refa natsovagny, gne nankato sady nandeha negna amin'e toeragny izay hazaoany ho lova. Nandeha izy, tsy nahalala izay tany nombany. \v 9 Tamin'e finoagny gne niaignany tagny amin'e tany nampagnantegnaigny akô gne vahiny. Niaigny tagnaty tragno lay izy niaraky tamin'Isaka sy Jakoba, gne mpiara-mandova amin'e fampagnantenagny mitovy. \v 10 Fa izy nitady e tanàgny izay managny e fagnoregnagny, e tanàgny izay Andriamanitry gne mpamari-tragno sady mpagnori-tragno.

1
11/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Tamin'e finoagny, ndre da Saraha izy tegnany izay momba aza, gne nahazaoan'i Abrahama gne fahafahagny ho ray. Nitranga izany ndre da efa tena antitry aza izy, satria noheverigny akô e mahatoky nomegny e fampagnantenagny izy. [Fagnamarihagny: Misy fagnontaniagny momban'e hoe Gne finoan'i Abrahama sa gne finoan'i Saraha gne navohitry. "Tamin'e finoan'i Saraha, ndre da efa antitry aza izy, gne nahazaoagny gne hery hanagn'anaky, ndre da efa tena antitry aza izy hitondra zaza, satria nihevitry e nagnome gne fampagnantenagny anazy ho mahatoky."] \v 12 Noho izany, lata amin'izany lelà zany, izay efa ho faty, gne nahaterahandreo izay akô gne kintagny egny an-dagnitry gne hamaroany sady akô gne fasiky magnamorogny gne ranomasigny, izay tsy voaisa.

1
11/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 o amin'e finoagny iregny rehetry regny gne maty tsy nandray gne fampagnantenagny. F'izy, tafaran'e hahitagny sady niarahabagny andreo avy alavitry, da nagneky indreo fa vahiny sady sesi-tany ety an-tany.\v 14 Ho andreo izay mizaka akô izany Raha zany da mazava fa mitady tanindrazagny indreo.

1
11/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Raha nieritreritry gne firenegny izay nialagny indreo, da mety nanagny fahafahagny hiverigny. \v 16 Fa akô izany, nagniry firenegny tsaratsara kokoa indreo, da izany, e agny an-dagnitry. Noho izany tsy mahamegnatry an'Andriamanitry gne voaantso hoe Andriamanitrindreo, da nagnomagny tanàgny ho andreo Izy.

1
11/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Tamin'e finoagny Abrahama, refa notsapaigny, da nanolotry an'Isaka. Io gne zanany là tokagny izay natolony, izy e nahazo gne fampagnantenagny. \v 18 Tamin'i Abrahama gne nizaka hoe: "Amign'alalan'Isaka gne hanondroagny gne taranakao." \v 19 Abrahama da nihevitry fa Andriamanitry da hahavita hanangagny an'Isaka amin'e maty, sady amin'e heviny amin'e ohatry, avy tamindreo gne hazaoany anazy indraiky.

1
11/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Tamin'e finoagny momban'e Raha ho avy koa gne nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. \v 21 Tamin'e finoagny Jakoba, tamin'Izy efa ho faty, gne nitso-drano gne Zanak'i Josefa tsiraidraiky aby. Nivavaky Jakoba, nilejagny tamin'e lohan'e tehiny. \v 22 Tamin'e finoagny Josefa, refa nagnakaiky gne fiafarany, gne nikoragny e fiaingan'e Zanak'Israely lata agny Egypta sady nagnafarany gne amin'e tolagny.

1
11/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tamin'e finoagny Mosesy, refa teraky izy, da nafinin'e ray aman-dreniny nandritry gne telo volagny satria hitandreo fa zaza tsara Izy. Tsy natahotry gne didin'e mpanjaka indreo. \v 24 Tamin'e finoagny Mosesy, tafaran'e nahazakabe anazy, gne nandà e hagnatsovagny anazy ho zanaky làn'e zanaky viavin'i Farao.\v 25 F'izy, nisafidy gne hijaly niaraky tamin'e olon'Andriamanitry izy, akô izay hankatia gne fahafinaretan'e fahotagny mandritry gne fotoagny fohy.\v 26 Nizaka izy hoe gne fahafaham-baraka amin'e fagnarahagny an'i Kristy da haregny zakabe noho gne haren'i Egypta. Satria nampifantoky gne masony tamin'e valisoany izy.

1
11/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Tamin'e finoagny gne nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy nalia gne fahavigniran'e mpanjaka izy, fa niaritry an'izany akô gne nahitany e tsy hita maso. \v 28 Tamin'e finoagny gne nitandremagny gne Paska izy ame Famafazagny gne rà, mba tsy hikasiky gne Zanaky lahimatoandreo Israelita gne mpandringagny gne Zanaky lahimatoa.

1
11/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Tamin'e finoagny gne niampitandreo gny Ranomasigny Mena akô gne magnitsaky tany maigny. Refa nagnandragny nagnano an'izany indreo Egyptiana, da voateligny indreo. \v 30 Tamin'e finoagny gne nirodagnan'e mandan'i Jeriko, refa avy nagnodidigny nandritry gne fito andro indreo.\v 31 Tamin'e finoagny gne tsy nahafaty an'i Rahaba igny mpivarotegna niaraka tamindreo mpaniasia igny, satria nandray gne mpisafo tany tamin'e fiadanagny izy.

1
11/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Ino avakoa gne azoko zakaigny? Fa ho lany gne fotoako raha miresaky momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, da momban'e mpaminany iao.\v 33 Tamign'alalan'e finoagny gne nazahoandreo gne fanjakagny, niasa ara-drariny, sady nandray gne fampagnantenagny. Nagnakatogny gne vavan'e liogny indreo,\v 34 namono gne herin'e afo, nandositry gne lelan'e sabatry, sitragny tamin'e aretigny, lasa nahery agn'ady, sady nandresy gne tafiky vahiny.

1
11/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Nitsangagny tamin'e maty tamin'e fananganan-ko velogny gne viavy. Indreo hafa da nampijaligny, tamin'e tsy fagnekegny gne famotsoragny mba hazaoandreo fitsanganagny tsara kokoa. \v 36 Gne hafa da notsapaigny tamin'e fagnesoagny izy ame famangoagny, eny fa ndre da gne fatotry izy ame fagnagadragny aza. \v 37 Notoraham-bato indreo. Notsofaigny hizara roa indreo. Novonoigny tamin'e sabatry indreo. Nirerirery sady nisikigny hoditr'ondry da hoditr'osy indreo. Sahiragny indreo, nampihorohoroagny, nampahoriagny. [Fagnamarihagny: gne dikan-teny sasany taloha da mivaky hoe: "Notoraham-bato indreo. Notsofaigny hizara roa. Nampandalovigny fitsapagny. Novonoigny tamin'e sabatry."] \v 38 Izao tontolo izao da tsy mendriky andreo. Nirerirery tagny agn'efitry, tagny amin'e rendrombohitry, tagny amin'e lava-bato, sady tagny amin'e lavaky ambanin'e tany indreo.

1
11/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 izy io olo agnaby io da neken'Andriamanitry nohon'e finoandreo, tsy nandray gne fampagnantenagny indreo.\v 40 Nagnomagny Raha tsara kokoa ho atsika Andriamanitry, mba tsy ho lavorary indreo, raha tsy misy atsika.

1
11/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 10

1
12/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Noho izany, satria itsika voadidigny vavolombelogny maro be akô gne rahogny, da andeha itsika hamela gne vesatry rehetra izy ame fahotagny maro magnodidigny atsika. Andeha itsika hihazakazaky am-paharetagny gne fihazakazahagny izay nadoboky teo alohantsika.\v 2 Andeha itsika hitandrigny amin'i Jesosy, gne mpampiatomboky izy ame mpagnantanteraky gne finoagny. Fa nohon'e hafaliagny izay napetraky teo agnoloany, da niaritry gne hazofijaliagny Izy, tsy niraharaha gne hegnatr'izany, sady nidoboky teo an-tagnan'an-kavanan'e seza fiandrianan'Andriamanitry.\v 3 Noho izany eritrereto gne momba Anazy, e raiky izay niaritry fanoheragny akô izany avy tamin'e mpanota hanohitry gne tegnany, mba tsy ho valaky ao am-ponareo anareo ka hilavo lefogny.

1
12/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Tsy mbola nanohitry anareo na nikezaky hanohitry gne fahotagny hatramin'e fahalatsahan-drà, \v 5 da adignonareo gne fampaherezagny izay nampianarigny anareo akô gne amin'e zanaky hoe: "Zanako là, k'aza magnamaivagny gne fitsipiky gne Tompo, ndre mihavalaky raha ahitsiny anareo."\v 6 Fa gne Tompo magnafay gne rehetra izay tiany, sady Izy magnasazy gne zanaky tsiraidraiky izay raisiny.

1
12/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Miareta fijaliagny akô gne fitsipiky. Andriamanitry da mitondra anareo akô gne Zanaky. Fa zanaky ino gne teo ka tsy nofaizin'e rainy?\v 8 Fa raha tsy managny fitsipiky anareo, izay anagnan'e olo agnaby, da zazasary anareo fa tsy zanany.

1
12/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Sady, nanagny gne ray ara-nofo akô gne mpagnafay itsika, da nagnaja andreo itsika. Tsy tokony hankato kokoa gne Rain'e fagnahy me itsika sady ho velogny? \v 10 Fa etsy andaniny, gne raintsika nagnafay antsika nandritry gne andro vitsy araky izay marigny tamindreo.\v 11 Nefa gne ankilany, Andriamanitry nagnano an'izany ho an'izay tsara ho atsika mba hafahantsika managny anjara amin'e fahamasinagny. Tsy misy famaizagny mitranga ho mahafinaritry, fa manaintaigny aza. F'izy izany afara kely da mamokatry gne vokatry feno fiadanan'e fahamarinagny ho andreo izay nozarigny tamin'izany.

1
12/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Noho izany hatanjaho gne tegnanareo izay miraviravy izy ame tsopokinareo malemy. \v 13 Magnamboara lalagny mahitsy ho an'e tombonareo, mba izay malemy da tsy hipitsoky fa ho sitragny aza.

1
12/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Magnenjeha fiadanagny miaraky amin'e olo agnaby, da gne fahamasinagny avakoa izay tsy hahitan'ia na ia gne Tompo raha tsy miaraky amin'izany. \v 15 Mitandrema mba tsy hisy na ia na ia tsy hanagny gne fahasoavan'Andriamanitry, sady tsy hisy fangalan'e fahangidiagny mitombo hiteraky korontagny, mba tsy ho maro gne lasa voaloto amin'izany. \v 16 Mitandrema mba tsy hisy fijangajangagny ndre olo tsy an'Andriamanitry ako I Esao, izay nivarotry gne fizokiagny ho an'e hanigny raiky. \v 17 Fa anareo mahalala fa refa afaky izany, refa nagniry gne handova gne fitahiagny izy, da nolavigny, satria tsy nahita iriky amin'e fibebahagny izy, ndre da nitady an'izany tamin-dranomaso aza.

1
12/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Fa anareo tsy avy teo amin'e tendrombohitry izay tsy azo kasihigny, tendrombohitry gne afo mandoro, haizigny, fahamaizignagny, da tafiotry. \v 19 Anareo da tsy avy teo amin'e trompetra magneno mafy, na teo amin'e feo izay mizaka gne zaka izay gne mpihaino zany da nangataky mba tsy hisy zaka hafa ho zakaigny amindreo. \v 20 Fa indreo tsy afaky niaritry izay nodidiagny hoe: "Fa ndre da gne biby mikasiky gne tendrombohitry aza, da tsy maintsy ho toraham-bato izany." [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da mivaky akô izao: ""Fa ndre da biby raiky izay mikasiky gne tendrombohitry aza, da tsy maintsy ho toraham-bato izany ndre ho vonoigny amin'e zana-tsipiky.""] \v 21 Fa mampalia loatry e fahitagny izay nozakain'i Mosesy hoe: "Mihorohoro Iao sady mangitakitaky."

1
12/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Fa anareo kosa, da avy teo amin'e tendrombohitry Ziona sady teo amin'e tanàgnin'Andriamanitry velogny, gne Jerosalema agny an-dagnitry, da teo amin'e anjely an'alin'aligny tamin'e fankalazagny.\v 23 Anareo da avy teo amin'e antokon'olon'e voalohan-teraky, izay voasoratry agnara agny an-dagnitry. Anareo da avy teo amin'Andriamanitry, e Mpitsara gne rehetra, sady teo amin'e fagnahin'e olon'e fahamarinagny izay nanigny tonga lafatry.\v 24 Anareo da avy teo amin'i Jesosy, e mpagnalalagny gne fagnekegny vaovao, sady teo amin'e rà latsaky izay tsara kokoa noho gne ràn'i Abela.

1
12/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Aoka anareo tsy handà e raiky izay mizaka. Fa raha tsy nilefa indreo tamindreo nandà gne raiky izay nampitandrigny andreo teto an-tany, da kidikidy gne hilefatsika raha mihodigny amin'e raiky izay nampitandrigny antsika avy agny an-dagnitry itsika. \v 26 Tamin'e fotoagny raiky, gne feony nagnozongozogny gne tany. Fa amin'izao Izy nampagnantegna sady nizaka hoe: "Mbola hagnozongozogny indray mandeha tsy gne tany avao iao, fa gne lagnitry avakoa."

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More