auto save

This commit is contained in:
PLT-MADA007 2019-11-07 10:06:49 -05:00 committed by root
parent db7dc7e308
commit ebb83db88a
1 changed files with 1 additions and 1 deletions

View File

@ -1 +1 @@
Sambatra zegny manasa ny akanjoniary zareo. «Ny antontan-taratasy hafa taloha de mivaky hoe : « Sambatra zegny magnano ny didiny. ») Fa ambelagny ny amboa, ny mpagnano ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbanny zegny tia mametsy sady mpametsy. Izaho, Jesôsy, de nandefa ny anjeliko mba hagnambara aminareo ny raha ho anny fengonana. Izaho fototrany sady taranakanny Davida, ny kintagna mamirampiratra mandraigna. » Ny Fagnahy mbanny ampekarina magno hoe : « Avia ! » Zegny maregny tokony hizaka hoe : « Avia ! » Ndre iza ndre iza mangetaheta, tokony hagnatonga , sady ndre iza ndre iza magniry anizany, tokony hahazo maimaimpôgna ny ranonny fiaignana. Izaho magnambara aminny zegny maregny ny zakanny faminaniana aminny boky ity : « Na misy magnampy anio, Andriamanitra hagnampy loza ho anazy zay voasoratra aminny boky ity. Na misy mangala ny faminaniana vôzaka aminny boky ity, Andriamanitra de hangala ny anjarany aminny kakazonny fiaignany mbanny tanàna masina zay voasoratra agnatinny boky ity. » (Fagnamarihana : Ny antontan-taratasy taloha de mivaky hoe : « Andriamanitra hangala ny anjarany aminny Bokinny Fiaignana de aminny tanàna masina zay voaosoratra aminny boky ity. ») Nizaka ny raika magnambara ny raha io : « Eny! Efa akeky ny feveko. » Amena! Tongava, ry Tompo Jesôsy! Ho aminny olona maro ane ny fahasoavanny Tompo Jesôsy. Amena.
Sambatra zegny manasa ny akanjoniary zareo. Mba hahazo alalagna mihinagna avy am «Ny antontan-taratasy hafa taloha de mivaky hoe : « Sambatra zegny magnano ny didiny. ») Fa ambelagny ny amboa, ny mpagnano ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbanny zegny tia mametsy sady mpametsy.