plt_tn/jhn/12/17.md

1.1 KiB

Ary

Ity teny ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana fhiatoana eo amin'ny tantara fototra. Eto Jaona dia manazava fa maro ireo olona izay tonga mba hijery an'i Jesosy satria ren'izy ireo tamin'ny sasany hoe nanangana an'i Lazarosy tamin'ny maty Izy.

ren'izy ireo fa nanao izany famantarana izany Izy

"ren'izy ireo ny sasany niteny hoe nanao izany famantarana izany Izy"

izany famantarana izany

Ny "famantarana" dia tranga na fisehoan-javatra izay manaporofo fa marina ny zavatra iray. Eto ny "famantarana" ny fitsanganan'i Lazarosy dia manaporofo fa Jesosy no Mesia.

Jereo, tsy afaka manao na inona na inona ianareo

Ireo Fariseo dia milaza eto fa mety tsy ho voasakana Jesosy. DH: "Toa tsy afaka manao na inona na inona isika hanakanana Azy!"

indro, manaraka Azy izao tontolo izao

Ity dia fanatomboana resaka nampiasain'ireo Fariseo mba hanehoana ny fahatairan'izy ireo nahita olona be dia be nivoaka hihaona amin'i Jesosy. DH: "Toa ohatran'ny hoe ny olona rehetra no lasa mpianany!"

izao tontolo izao

Eto ny "izao tontolo izao" dia midika hoe ny olona rehetra eto ambonin'ny tany.